"Fa hianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina, olona nalain'Andriamanitra ho an 'ny tenany, mba hilazanareo ny hatsaran 'Ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga." - 1 Pet. 2:9.
Mofon’aina:
Hitantsika mazava tsara, rehefa mamaky ny Tenin' Andriamanitra isika, fa tokony hiavaka manokana amin'ny tontolo tsy mpino manodidina azy ny vahoakan'Andriamanitra. Sady mahaliana no mampahatahotra ny toerana misy antsika; ilaintsika izay velona amin'izao andro farany izao tokoa ny manaraka ny ohatr'i Kristy sy ny mandeha araka izay nandehanany koa! "Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy." – Mat. 16:24. Tsy ny hevitra na ny fahendren'ny olona mety maty no tokony hitarika na hifehy antsika.
Tsy manan-trano na harena eto ny mpanompon'i Kristy. Enga anie ho takatr ' izy rehetra fa noho ny fiandrianan'ny Tompo no ahafahantsika monina eto amim-piadanana sy filaminana, anivon'ny fahavalontsika. Tsy zontsika ny mitaky ireo tombontsoa eto amin'izao tontolo izao. Mila manaiky ny fahantrana sy ny fanamavoana ataon'ireo lehilahy sy vehivavy manodidina antsika isika, mandra-pahatapitry ny ady sy hahazoantsika ny fandresena. Antsoina hivoaka sy hiala amin'ny fisakaizana amin' izao tontolo izao sy ny toe-tsainy ireo izay an'i Kristy. Voafidin'Andriamanitra sy ankasitrahany izy ireo, ary izany no tanj any sy heriny. (...)
Efa ho masaka ho amin'ny fandrin-ganana azy izao tontolo izao. Tsy haharitra ela amin'ny mpanota intsony Andriamanitra. Tsy maintsy hisotro ny kapoakan'ny fahatezerany tsy miharo famindrampo izy ireo. Hiavaka ireo izay ho mpandova an'Andriamanitra sy mpiara-mandova lova mandrakizay amin'i Kristy. Hiavaka tokoa, hany ka hasian ' Andriamanitra marika eo aminy fa Azy izy ireo, Azy manontolo. Heverinareo ve fa horaisin'Andriamanitra sy homeny voninahitra ary ho fantany ireo izay mifangaro tanteraka amin'izao tontolo izao, ka ny anarany fotsiny no mampiavaka azy? Vakio indray ny Tit. 2:13-15. Tsy ela dia ho fantatra izay miandany amin'ny Tompo, izay tsy ho menatra an'i Jesosy. Ireo izay tsy manana risi-po hijoro an-kitsimpo amin'izay iandaniany eo anatrehan'ny tsy mpino, ka tsy miala amin'ny fanaon'izao tontolo izao, ary tsy manaraka ny oha-piainan'i Kristy feno fandavan-tena, no menatra Azy sy tsy tia ny ohatra nasehony. — TFC, b.1, tt. 286,287.