"Ary niray fo sy fanahy ny olona rehetra izay nino; ary tsy nisy nanonona ny fananany ho azy na dia iray aza, fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany." - Asa. 4:32.
Mofon’aina:
Mila misiônera izao tontolo izao, dia misiônera eo an-toerana feno fanoloran-tena, ary tsy hisy olona na iray aza ho voasoratra ao amin'ny bokin'ny lanitra ka tsy manana toe-tsaina misiônera. Tsy afaka manao na inona na inona anefa isika raha tsy hamasinina ny herintsika. Raha tsy ao ny toe-tsaina misiônera, ka manomboka mihena ny zotom-po ho an'ny asan'Andriamanitra, dia hiompana amin'ny fitandremana sy ny fitsitsiana ny fananana ny votoatin'ny teny torintsika sy ny drafitra ataontsika, ary hisy fihemorana tokoa eo amin'ny asa misiônera.
Aoka tsy hahena ny asa, fa aoka ny fivoriana rehetra hotarihina amin'ny fomba izay maneho fahavononana mitombo, hamita ny asa lehibe fampitandremana izao tontolo izao, na dia mety hitaky fandavan-tena sy fahafoizana aza izany. Raha ao amin'ny mambra tsirairay izao fisainana izao: "Tsy izaho no tompon'ny tenako, fa olom-boavidy aho," dia hahatsiaro ny rehetra fa manana adidy masina hampivelatra ny fahaizana tsirairay nomen'Andriamanitra azy, sy hampitombo isan-taona isan-taona ny fahazoana mampiasa azy. Ary amin' izany rehetra izany dia tsy misy fialan-tsiny azo ekena noho ny fanaovana tsirambina ny ara-panahy. (...)
Iza amintsika no mahafantatra sy mahita, amin'ny alalan'ny masom-panahiny, ny ady mangotraka mitranga eto amin'izao tontolo izao, izay ifanaovan'ny herin'ny tsara sy ny herin'ny ratsy? (...) Tahaka ny fahitan'ireo anjelin'ny lanitra azy ve ny fahitanareo io fifanandrinana io?
Raha mba izay rehetra mitonona ho mpanara-dia an'i Kristy mantsy no fantsom-pahazavana velona ho an' izao tontolo izao, vonton'ny Fanahin' Andriamanitra, manana fo feno mitafotafo ny hafatry ny filazantsara, sy tava mamirapiratry ny fanoloran-tena amin'Andriamanitra sy ny fitiavana ny hafa, dia akory ny asa ho vita ao anatin'ny fotoana fohy! Tsy hiteny amim-pihambahambana na fisalasalana ireo mpitondra hafatry ny fahamarinana fa amim-pahasahiana sy amin-toky. Hahatonga faharesen-dahatra ao am-pon'ny mpihaino azy na ny lantom-peony aza. — RH, 23 Aogôsitra 1892.