Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Maneho ny toe-tsain'i Jesôsy

Daty
Sabotsy 27 September 2025

 "Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava." – Rôm. 13:12.

Mofon’aina:
Rehefa avy niezaka fatratra nitory ny fahamarinana tamin' ireo izay nanankinan'Andriamanitra andraikitra lehibe ianao, dia aza kivy raha toa ka mandà izany izy ireo. Nolavina koa ny fahamarinana tamin'ny andron'i Kristy. Aoka ho azonao antoka fa voahazona ny fahamendrehan'ny asa amin'ny alalan'ny fametrahana drafitra mirindra sy ny fifampiresahana masina.

 Aoka isika tsy hatahotra hanandratra avo dia avo ny fanevan'ny filazantsara. Tokony hifandray am-po ireo ankohonana manatanteraka asa misiônera. Aoka hamonto ny fanahin'ny mpiasa ny toe-tsain'i Kristy; satria ny teny mamy sy feno fangorahana, ny fanehoam-pitiavana tsy mila tambiny amin' ireo fanahy vonjena, no handrava ny sakantsakan'ny avonavona sy ny fitiavan-tena, ary haneho amin'ny tsy mpino fa manana ny fitiavan'i Kristy isika; koa dia hahita lalana hidirana ao am-pony ny fahamarinana. Io no asantsika sy fanatanterahana ny drafitr 'Andriamanitra. 

Tsy maintsy esorintsika ny fiteny tsy voahevitra sy masiaka rehetra. Tsy maintsy ankamamiana ny fahaiza-manaja, ny fahadiovana, ary ny fahalalam-pomba kristianina. Aoka hitandrina mba tsy hivantambantam-piteny na hanao teny mahery. (...) Aza atao mihitsy ny manasongadina ireo Iafiny mampiady hevitra indrindra amin'ny foto-pinoantsika, raha tsy mbola ilaina izany. Fahavoazana ho an'ny asa fotsiny ny fanao tahaka izany.

Tokony hataon'ny rehetra izay hananana ny hery miasa mangina manalefaka sy mampilefitra ny fo izay ananan'ny Fanahy Masina – dia ny fahalemem-panahy sy ny fitiavana ny fanahy vonjena, araka ny fomban'i Kristy. Ireo izay irahina mba hiara-miasa dia tokony hamela ny heviny manokana sy ny hevitra mibahana mialoha ao an-tsainy, ka hiezaka ny hiara-miasa amin'ny fo sy fanahy, mba hahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. (...) 

Ny fanahin'i Kristy no ilaintsika betsaka kokoa, ary betsaka hatrany, fa ahena kosa ny "izaho" sy ireo lafin-toetra izay manangana rindrina mampisaraka antsika amin'ireo mpiara-belona amintsika. Be no azontsika atao mba handrodanana ireo sakana ireo, amin'ny fanehoana ny fahasoavan'i Kristy eo amin'ny fiainantsika. (… ) Mila mitafy isika, tsy amin'ny fitafiantsika manokana anefa, fa amin'ny fiadian'ny fahamarinan'i Kristy rehetra. — AC, 18 Desambra 1890.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal