Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: NY TSIAMBARATELON’NY FAHOMBIAZANA - Mosesy vaovao.

Daty
Alahady 28 September 2025

MOSESY VAOVAO

Na dia efa maty aza Mosesy, ary i Josoa no mpitarika vaovao notendren’Andriamanitra, dia misy teboka maromaro itovian'izy ireo. Samy nilazan’ Andriamanitra ireo lehilahy roa ireo fa hitarika ny vahoakany ho any amin'ilay tany nampanantenaina ny razany. Hoy i Jehôvah tamin'i Josoa: "Ny tany rehetra izay hodiavin'ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin'i Mosesy." Jos. 1:3. I Josoa no hamita ny asa izay nampanaovina an'i Mosesy tany am-boalohany; tena Mosesy vaovao tokoa izy.

Vakio ny Eks. 33:11; Nom. 14:6,30.38; Nom. 27:18; Nom. 32:12: Deo. 1:38; Deo. 31:23 ary ny Deo. 34:9. Inona no ambaran'ireo andalan-Soratra Masina ireo amintsika momba an'i Josoa?

Tsy mbola tanteraka tsy akory ny fampanantenana momba ny "hananganan'i Jehôvah" mpami nany tahaka an'i Mosesy (Deo. 18:15) tamin'io fotoana io. Ny teny fampidirana ho an'ny bokin'i Josoa dia sady mampahatsiahy ny mpamaky ny amin'io teny fikasana io no mametraka fanantenana ao anatiny ny amin'ny hahatanterahan'izany.

Na dia efa maty aza i Mosesy dia mbola resahina ao amin'ny toko voalohany amin'ity boky ity ihany izy. Impolo no nanononana ny anarany. Raha in’efatra monja kosa no nanononana ny anaran'i Josoa. Nantsoina hoe "mpanompon'i Jehôvah" i Mosesy, fa i Josoa kosa nantsoina hoe "mpanompon'i Mosesy Jos. 1:1. Fanompoana natao tamim-pahatokiana sy tamim-pankatoavana nandritra ny fiainany manontolo no notakina tamin'i Josoa izay vao azony ny fiantsoana hoe "mpanompon'i Jehôvah " - Jos. 24:29.

Na dia miresaka momba ny fifandimbiasan'ireo mpitondra lehibe roa teo amin'ny Isiraely aza ny toko voalohany amin'ny bokin'i Josoa, dia i Jehôvah mihitsy no mpandray anjara fototra manan-danja indrindra ao. Ny Teniny no manokatra ny boky ary ny toroheviny no misongadina ao. Araka izany, dia tsy misy isalasalana ny amin'izay tena mpitarika marina ny Isiraely.

Niantso lehilahy sy vehivavy maro Andriamanitra, teo amin'ny tantara, mba hitarika ny vahoakany. Nahoana no zava-dehibe ny fahatsiarovana izay tena mpitarika marina ny fiangonana, izay tsy hita maso?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal