MATANJAHA
Vakio ny Jos. 1:7-9. Nahoana no nilain’Andriamanitra ny nanantitrantitra tamin'i Josoa (indroa) fa tokony hahery sy hatanjaka izy?
Toa fihaikana goavana tokoa ny fahitana ny asa napetraka teo anoloan' i Josoa. Toa tsy azo anihina ny fahitana ireo mandan'ny tananan'ny Kananita ary voaofana hiady ny mponina tao. Ny Isiraelita kosa etsy ankilany, dia olona mpifindrafindra monina, ary tsy nanana na dia izay fitaovam-pladiana tsotra indrindra aza mba hamelezana ilay manda avo sy mafy. Ampianarin'ny tantara antsika fa na i Egypta aza, izay firenena natanjaka indrindra tamin'izany andro izany, dia tsy nahavita nifehy an'i Kanana.
Ny antso ho amin'ny faherezana sy ny fahatanjahana eto dia tsy mifandraika fotsiny amin'ny fanaovana tetikady sy ny fanomanana ny toe-tsain'ny mpiady, fa nilaina koa ny herim-po sy ny fahatanjahana mba hitoerana ho mahatoky amin'ny Torah sy ny fitakiany an-tsipiriany, izay namaritra ny fanekena nataon'ny Isiraely tamin'i Yahweh.
Vakio ny Efes. 6:10-18. Na dia tsy takina aza ny handehanantsika hiantafika amin'izao andro izao, ahoana no ahazoantsika mampihatra ireo teny fampaherezana nomena an'i Josoa eo amin'ny tolona ara-panahy atrehintsika isan'andro?
Amin'izao andro izao, dia miatrika fihaikana maro tahaka izay natrehin'i Josoa koa ny Kristianina eo amin'ny fanatanterahan'izy ireo ny iraka nampanaovin'i Kristy azy. Izany hoe, tsy maintsy miady amin'ireo fironana feno fahotana ao anatiny izy ireo, tsy maintsy miady amin'ireo fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, ary amin'ny tafiky ny ratsy. Toa an'i Josoa, izy ireo koa dia manana ny teny fikasana azo antoky ny fanatrehan'i Kristy: "indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao." - Mat. 28:20. Ampy mba handroaka ny tahotra tao anatin'i Josoa ny fanatrehan'ny Tompo izay nanohana azy; tahaka izany koa, tokony ho ampy antsika izany mba hanafoana ny fisalasalana sy ny tebitebintsika anio.
Izao no fihaikana ho antsika: ny hahalala an'i Jehôvah bebe kokoa ka hitoky Aminy sy hatoky ny fampanantenany ho antsika. Izany indrindra no ilantsika, mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, ny hanana fifandraisana manokana Aminy.
Tsy samy hafa amin'izay natrehin'i Josoa ny fanontaniana manan-danja ho antsika amin'izao andro izao. Ahoana no hitoerantsika ho mahatoky amin'izay lazain'ny Tenin'Andriamanitra na dia tsy mamim-bahoaka aza izany na koa tsy fanao araka ny fomban'ny olona?