Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miraisa hina mitory ny filazantsara.

Daty
Talata 30 September 2025

" Ary Jesôsy niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe: 'Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina." Jao.8:12.

Mofon'aina:
Ny mpanara-dia an’i Jesôsy dia mpiara-miasa amin’Andriamanitra. Tsy handeha amin’ny maizina izy, fa hahita kosa ny lala-marina, ka i Jesôsy (...) no hitari-dalana azy. Eo am-pizorany ho any Ziona, mandroso amim-pinoana, dia hiaina fanandramana mamiratra kokoa amin’ny zava-panahy izy ireo. Ny iraka notanterahin’i Kristy (...) ilay nahatonga Azy handao ny seza fiandrianan’Andriamanitra mba ho eo amin’ny alitaran’ny hazo fijaliana feno misitery, dia hihamazava hatrany amin’ny saina, ary ho hita fa ilay sorona nataon’i Kristy no loharano nipoirana sy foto-kevitra ijoroan’ny asam- pitiavana rehetra. Ny fitiavan’i Kristy no hery manosika ny tena mpanao asa misionera hitety tanàn-dehibe, vohitra, lalambe sy lalankely manerana izao tontolo izao.

Ny fiangonan’Andriamanitra eto an-tany dia naorina mba hanao asa misionera, koa zava-dehibe indrindra ny hahatongavan’ny mambra tsirairay ho mpiara-miasa mahatoky amin’Andriamanitra (...) ary noho izany dia mampiasa ny heriny rehetra araka ny fahafaha-manao nomena azy ho amin’ny famonjem-panahy. Takin’i Jesôsy Kristy ny hanaovan’izay rehetra antsoina amin’ny Anarany, ny asany ho lohalaharana sy zava-dehibe indrindra ifantohan’ny saina, ka hiarahan’izy ireo miasa amim-pahafoizan-tena miaraka amin’ny anjelin’ny lanitra ho famonjena ireo olom-bery izay nanoloran’i Kristy ny ainy.

Ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny fananana na ny fahefana, na izay rehetra fahafaha-manao ara-tsaina sy ara-batana, dia fandrobana an’Andriamanitra sy fandrobana izao tontolo izao; satria izany dia fanodinana ny hery izay natokan’Andriamanitra hampiasaina amin’ny fanavotana izao tontolo izao. Fony i Kristy tety an-tany, dia naniraka ny mpianany Izy mba hitory ny fanjakan’Andriamanitra eran’i Jodia, ary nasehony mazava tamin’ny alalan’izany ohatra izany fa hatrizay hatrizay dia adidin’ny mpanara-dia Azy ny mampita amin’ny hafa ny fahalalana izay ananany momba ny lalana sy ny fahamarinana ary ny fiainana. Tamin’ny asany rehetra dia nokendren’i Jesôsy ny hanofana ny fiangonany ho amin’ny asa misionera, ary arakaraka ny hitomboan’ny hamaroany no hiitaran’ny asa mandra-pahatongan’izao tontolo izao ho voahodidin’ny hafàtry ny filazantsara amin’ny alalan’ny asa fanompoan’izy ireo. – RH, 30 Oktôbra 1894.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal