Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mandresy na dia lavo aza.

Daty
Sabotsy 01 November 2025

"Vokiso ny famindramponao nony maraina izahay, mba hihobianay sy hifalianay amin'ny andro rehetra hiainanay." – Sal. 90:14.

Mofon’aina:     
Raha toa ka tsapan'ny vahoakan'Andriamanitra ny fitondrany azy ireo sy ny fampianarany, dia hahita lalana mahitsy ho an'ny tongony sy fahazavana mitarika azy ireo ao anatin'ny haizina sy ny fahakiviana izy ireo. Nahazo fahendrena avy tamin'ny fitondran'Andriamanitra azy i Davida, ka nilefitra tamim-panetren-tena teo ambanin'ny famaizan'ny Avo Indrindra. Ny fanehoan'i Natalia ny toetran'i Davida marina dia nahatonga an'i Davida hahalala ny fahotany sy nanampy azy hiala tamin' izany. Noraisiny tamim-pahalemem-panahy ny torohevitra nomena azy, ary naetriny teo anatrehan'Andriamanitra ny tenany. Hoy izy: "Tsy misy tsiny ny lalàn' i Jehôvah , mamelombelona ny fanahy" – Sal. 19:7.

Ho an'ny mpanota mibebaka dia tsy misy antony tokony hamoizam-po rehefa ampahatsiahivina azy ny fahadisoany ary ampitandremana ny amin'ny loza mandindona azy izy. Miseho amin'ireo ezaka atao ho azy ireo fa tena tia azy Andriamanitra, ka maniry hamonjy azy. Ilain'izy ireo fotsiny ny manaraka ny toroheviny sy ny manao ny sitrapony mba handovany ny fiainana mandrakizay. Asehon'Andriamanitra eo anatrehan'ny olony mpaniasia ny fahotan'izy ireo, mba hahafahan' izy ireo mibanjina ny halehiben'izany eo ambanin'ny fahazavan'ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra. Ary anjaran' izy ireo amin'izay ny miala amin'izany mandrakizay.

Ankehitriny dia mbola mahavonjy antsika ho afaka amin'ny fahotana Andriamanitra, tahaka ny tamin'ny andron'ireo patriarika. (...) ireo trangan-javatra maro voarakitra ao amin'ny tantara masina, izay maneho ny nanafahan'Andriamanitra ny olona tamin'ny fahadisoany, no tokony hahatonga ny Kristianina ankehitriny ho dodona handray ny toromarika avy amin'Andriamanitra sy hafana fo hikatsaka toetra tonga lafatra izay hahajoro amin'ny fitsarana famotopotorana akaiky. (...)

Rehefa mahita ny olona hafa izay nitolona tao anatin'ny fahakiviana tahaka antsika isika, izay lavo tao anatin'ny fakam-panahy tahaka antsika koa, kanefa tafarina ihany ary notahin'Andriamanitra, dia tsy misy tokony hahakivy antsika. Mampahery sy mampitraka ny fanahy mpaniasia ireo teny avy tamin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra.

Na dia nanana ny fahalemen' olombelona aza ireo patriarika sy ireo apostoly, noho ny finoany dia nahazo laza tsara izy ireo, niady ny adiny tamin'ny herin'ny Tompo, ary nandresy tamim-boninahitra. – TFC, b. 4, tt. 14,15.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal