Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miara-mandroso amim-pinoana

Daty
Alahady 02 November 2025

"Koa raha misy famporisihana ao amin' i Kristy, raha misy fampiononana avy amin 'ny fitiavana, raha misy firaisana amin'ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana, dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra." –Fil. 2:1,2.

Mofon’aina:
Tsaroako tsara, rehefa nipetraka tao Carroll House (...) teo akaikin'ny siniben-drano izahay, dia nivory tao anatin'ny efitrano lehibe iray tao amin'io trano io ireo tanora niasa teo amin'ny tanin'ny sekoly (...) mba hanatanteraka fotoam-pivavahana ho an'ny mpianakavy. Rehefa niara-nivavaka izahay, dia fantatray fa teo anivonay ny Fanahy Masina.

Nitady ny Tompo tamin'ny fonay iray manontolo izahay, ka tonga tena teo akaikinay mihitsy Izy. Nangatahinay ilay teny fikasana manao hoe: "Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondony, dia hovohana hianareo." – Mat. 7:7. Tsy mafy orina va io toky io? Nentinay niaraka taminay tao amin'ny toeram-pivavahana io teny fikasana io, ka nangatahanay ny Tompo mba hitarika sy hanoro lalana anay ny amin'ny asa tokony hatao. (...)

Raha misy malemy finoana aminareo, dia tsarovy fa ny antony dia satria tsy miasa amim-pitokiana tsara ianareo. Aoka isika tsy hieritreritra fa afaka hanatanteraka ny asan'Andriamanitra be voninahitra kanefa tsy manana finoana matanjaka sy tsy azo hozongozonina. (...) Miasa amin'ezaka mafy i Satana satria fantany fa kely sisa ny fotoana ananany. (...) Vitsy an'isa ihany ny vahoakan'Andriamanitra raha oharina amin'ireo ratsy fanahy, ka rehefa miara-miasa amin' ireo anjely ihany isika vao hahazo fahombiazana. (...)

"Deraina Andriamanitra, izay ikorianan'ny fitahiana rehetra." Raha misokatra any amin'ny toerana samihafa ny asa, dia enga anie ka hotsaroantsika mandrakariva fa tokony handray anjara amin'izany koa isika. Tokony hibebaka sy hiova fo tsy misy hataka andro ireo izay nanabe ny tenany hanana eritreri-dratsy. (...) Tsarovy fa rehefa manana fisainana toy izany ianao, ka miampanga sy manameloka, dia manamboatra toerana ho an'ny tafiky ny herin'ny maizina. (...)

"Tsy manao na inona na inona amin'ny ,fifampiandaniana, na mandrani-tena foana "–Fil. 2:3. I Satana no ao ambadiky ny fifampiandaniana sy ny fandranitan-tena rehetra. Andao isika hiala amin'ny laharany, ka hijoro miaraka amin'ireo izay milaza hoe: "Ho antsika ny fandresena, ka hiantehitra amin'ny sandrin'ny hery tsy manam-pahataperana isika." — RH, 15 Jona 1905. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal