Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fotoam-pivavahana masina

Daty
Zoma 07 November 2025

« Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan 'izao tontolo izao. »– Jao. 6:51

Mofon’aina:
Mampiseho ny fahamendrehana sy ny fanelane-lanala ataon'ny Mpamonjy, ary toy izany koa ny fahamarinany tsy misy pentina nisaina tamim-pinoana ho aVny mpanota sady hany ahazoana mankasitraka ny fanompoam-pivevahana atolony ho an'Andriamanitra, ny ditin-kazo manitra izay miara-miakatra amin'ny vavaka ataon'ny Isiraely. Ankoatra izany, raha tahiny ka nisy alitara fanelanelanana mandrakizay eo anoloan'ny varavarana lamba ao amin'ny efitra inasina indrindra, dia misy tsy tapaka koa ny alitara famelan-keloka eo anoloal'ny varavarana lamba ao amin'ny efitra masina. Ary farany, raha tahiny ka atnin'ny alalan'ny ra sy ny ditin-kazo manitra ara-tandindona no ahazoana manatona an'Andriamanitra, dia amin'ny alalan'Ilay Mpanalalana lehibe amintsika no ahazoan'ny mpanota manatona an'Andriamanitra izay hany Mpizara famindrampo sy famonjena ho an'ny fanahy mibebaka sy mino .

 Rehefa miditra marain-tsy hariva ao amin'ny efitra masina amin'ny fotoana fandoroana ditit-kazo manitra ireo mpisorona, dia indro mpisorona iray koa mitondra ny fanatitra isan'andro eo an-kianja. (...) Dy maintsy mandinika ny fony sy miaiky ny helony anefa ny mpivory alohan'ay hidirany manatrika  amin'ny alalan'ny mpisorona. Dia miara-manao vavaka mangina mitodika any amin'ny fitoerana masina izy rehetra. Dia toy izany no handraisany ho an'ny tenany amin'ny alalan'ny finoana ny fahamendrehan'Ilay Mpamonjy nampanantenaina, naseho tao amin'ny asam-panavotana ara-tandindona raha miakatra miaraka amin'ny setroky ny ditin-kazo manitra ny fivavahana nataony. Noho izany dia noheverina fa masina ireo ora voatendry ho an'ny fanatitra marain-tsy hariva, ka nanjary raikitra hotandreman'ny firenena jiosy manontolo ho oran'ny fotoam-pivavahana isan-tokantrano.

Taty  aoriana, rehefa nivavaka tamin'Andriamanitry ny Isiraely ny Jiosy, dia nitodika nankany Jerosalema tamin'io ora io. Arakaraka izany fanao mahazatra izany no tokony halain'ny Kristianina tahaka eo amin'ny fotoam-pivavahana marain-tsy hariva ataon'ny fianakaviana. Raha tahiny ka tsy nankasitrahan'Andriamanitra ny famerimberenana tsy voahevitra ny fitiavana hivavaka tsy arahim-panajana, dia jereny amim-pifaliana kosa ireo olona te hiankohoka eo anatrehany marain-tsy hariva mba hangata-pamelana ny heloka vitany sy hitaky Aminy ny fitahiana izay ilainy. – PM, tt. 341,342.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal