Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miara-miankohoka amintsika ny anjely

Daty
Talata 11 November 2025

 "Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay ety ambonin'ny tany sy any ambanin 'ny tany, (…) dia reko samy nanao hoe: Ho an 'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an 'ny Zanak 'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay." Apôk. 5:13.

Mofon’aina:
Miray amin'ny fiangonan' Andriamanitra any an-danitra ny fiangonan' Andriamanitra ety an-tany. Fiangonana iray ihany ireo mpino eto an-tany sy ireo izay tsy mbola lavo mihitsy any an-danitra. Ny mponina tsirairay any an-danitra dia liana amin'ny fivorian'ny olo-masina, izay mivory eto an-tany mba hivava ka am in ' Andriamanitra amin'ny fanahy sy ny fahamarinana, ary amin'ny fihaingoana masina. Any amin'ny kianja anatiny ao amin'ny tempoly any an-danitra no ihainoan' izy ireo ny fijoroana ho vavolombelona ataon'ireo vavolombelon'i Kristy ao amin'ny kianja ivelany ao amin'ny tempoly ety an-tany. Ary ny fiderana sy ny fisaorana avy amin'ny fiangonana eto an-tany dia akambana amin' ny hira any an-danitra. (...)

 Raha misotro avy amin'ny loharano ny anjely, ireo olo-masina eto an-tany kosa dia misotro avy amin'ny sampan-drano madio manganohano izay mikoriana avy amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra, ka mam-pifaly ny tanànan'Andriamanitra. Enga anie ka ho afaka hahatsapa isika rehetra fa tena akaikin'ny tany ny lanitra! Tsy mahafantatra akory ireo zaza teraka eto an-tany, nefa manana ireo anjelin'ny fahazavana ho sakaizany izy ireo; satria irahina hanao fanompoana ho an' izay handova famonjena ireo mpitondra hafatry ny lanitra.

Misy vavolombelona mangina iray miambina ny fanahy tsirairay izay velona. (...) Ireo anjely dia tsy hamela velively ireo alaim-panahy ho rembin' ilay fahavalo izay tsy hisalasala ny hanimba ny fanahin' ny lehilahy sy ny vehivavy raha toa ka avela hanao izany izy. Raha mbola misy fanantenana, raha mbola tsy manohitra ny Fanahy Masina izy ireo, dia ambenan'ny mponina any an-danitra. (...)

Ny endrik' i Kristy vita tefy ao am-po dia hita taratra isan'andro isan'andro eo amin'ny toetra sy eo amin'ny fiainana andavanandro, satria maneho ilay Mpamonjin'ny tenantsika manokana isika. Ampanantenaina izay rehetra hangataka Azy ny Fanahy Masina. Rehefa mandinika ny Soratra Masina ianareo, dia eo anilanareo ny Fanahy Masina, misolo tena an'i Jesosy Kristy. — GCB, 15 Febroary 1895. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal