Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fitahiana vaovao hatrany

Daty
Alatsinainy 17 November 2025

"Nahoana no mitanondrika hianao, ry fanahiko? Ary nahoana no mitoloko ato anatiko hianao? Manantenà an 'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro. "- Sal. 42:11.

Mofon’aina:
Hitantsika teo anivon'ireo fitondran'Andriamanitra izay tsy mazava amintsika fa tsy fahendrena ny manaraka ny sitrapo na ny fanaontsika manokana, ary koa ny tsy mandinika sy maminavina ny fahatokian'Andriamanitra. Tsapako fa isika dia olona afaka mahatakatra ny toe-pon'ny andaniny sy ny ankilany ary afaka mifangoraka. Ampiraisin'ny fahasoavan'i Jesosy Kristy isika, ary harnasinina amin'ny alalan'ny fahoriana, ao anatin'ny fifamatorana sy ny fangoraham-po kristianina.

Famindram-po matetika no ao ambadiky ny fahoriana. Tsy haintsika izay mety ho niafarantsika raha tsy misy ny fahoriana. Rehefa arodan 'Andri am an itra ao anatin'ny fitondrany saro-pantarina ireo drafitra rehetra ankarnarniantsika, ka mety alahelo no azontsika fa tsy fifaliana, dia hiankohoka amim-pileferana isika ka hiteny hoe: "Andriama,nitra ô, aoka ny sitraponao no hatao!" Tsy maintsy mikolokolo fitokiana masina sy feno fahatoniana an'ilay Iray izay tia antsika sy nanolotra ny ainy ho antsika isika. "Jehovah handidv ny famindrampony nony andro, ary ho amiko nony alma ny fihirana Azy, dia vavaka amin 'Andriamanitry ny aiko. Hoy izaho amin 'Andriamanitra Vatolampiko: nahoana no nanadino ahy Hianao? Nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko? "– Sal. 42:8,9.

Mihevitra ny fahoriantsika ny Tompo. Lanjainy ary tsinjarainy amim-pahasoavana sy arakaraka ny tsirairay izany. Tahaka ny mpandrendrika volafotsy, dia rnijery antsika amin'ny fotoana rehetra Izy, mandra-pahatanteraky ny fanadiovana. Natao hanadio sy handrendrika ny lafaoro misy afo mahamay, fa tsy hanimba sy handevona. Hahatonga ireo izay mametraka ny fitokisany Aminy hankalaza ny famindrampony eo anivon'ny fitsarana Izy. Mitsinjo mandrakariva Izy mba hanome, rehefa tena ilaina indrindra, fitahiana vaovao, tanjaka amin'ny ora mampalemy, fanampiana amin'ny fotoana misy loza, namana arnin'ny fotoana mampanirery, fangorahan ' olom be lona sy fangorahana avy any ambony amin'ny fotoan' alahelo.

Hody any amin'ny fonenantsika isika. Nanangana tanàna ho antsika Ilay tena tia antsika ka maty ho antsika. I Jerosalema vaovao no toerana hialantsika sasatra. Tsy hisy alahelo intsony ao amin'ny Tanànan' Andriamanitra. Tsy hisy tomany noho ny alahelo intsony. Tsy ho re any intsony ny hiram-pisaonana noho ny fanantenana raya sy ny fandevenana havan-tiana.— DG, tt. 223, 224. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal