"Ny alitarany horavanao, ary ny tsangam-baton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany hokapainao, ary ny sarin-javatra voasokitra hodoranao amin'ny afo. Fa firenena masina ho an 'i Jehovah Andriamanitrao hianao. " – Deo. 7:5,6.
Mofon’aina:
Tian'Andriamanitra ho takatry ny olony fa Izy irery ihany no tokony ho anton'ny fiankohofan'izy ireo; ary rehefa handresy ireo firenena mpanompo sampy manodidina azy izy ireo, dia tsy tokony hitahiry ny tsangambaton-tsampy iankohofan'ireo firenena ireo, fa handrava izany tanteraka. Tena lafo vidy ary vita tamin'ny tao-zavatra kanto ny ankamaroan'ireo andriamanitry ny jentilisa. Mety naka fanahy ireo nanatri-maso ny fiankohofana amin'ny sampy izany (...) mba haneho fanajana amin'ireo zava-poana ireo. Tian'ny Tompo ho fantatry ny olony fa noho ny fanompoan-tsampy ataon'ireo firenena ireo, izay nitarika azy ho amin'ny fatram-paharatsiam-panahy rehetra, no nahatonga Azy nampiasa ny Isiraelita ho fitaovany mba hamaizana azy ireo sy handringanana ny andriamaniny. (...) 
"Ary hatramin'ny Ranomasina Mena ka hatramin 'ny ranomasin 'ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin'ny efitra ka hatramin'ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin 'ny tany ho eo an-tànanareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao hianao. "–Eks. 23 :31. 
Niankina tamin'ny fankatoavan'ny vahoakany ireo teny fikasana nataon'Andriamanitra ho azy ireo. Raha hanompo an'i Jehovah amin'ny fahafenoany izy, dia hanao zava-dehibe ho azy Izy. Rehefa avy nandray ny fitsipika avy tamin'Andriaimanitra Mosesy, ka nanoratra izany ho an'ny olona, dia .nanambara teny' fikasana taminy, izay niankina tamin'ny fankatoavana koa, Izy: "Miakara ao amin'i Jehovah hianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin 'ny loholon 'ny Isïiraely; ka miankohofa eny lavitra eny hianareo; nefa Mosesy ihany no hanakaiky an 'i Jehovah, fa ireo tsy mba hianakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy. Dia tonga i Mosesy ka nanambara tamin 'ny olona ny teny rehetra izay nataon'i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namany indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: 'Ny teny rehetra izay nolazain Jehovah dia hataonay. – Eks. 24:1-3.
Tsy ireo didy folo no inosoratan' i Mosesy, fa ireo fitsipika tian' Andriamanitra hotandreman"ny olony, sy ireo teny fikasana, izay niankina tamin'ny fankatoavan'izy iireo Azy. Novakiny tamin'ny olona iizany, dia nianiana ireo fa hankatè ny temy rehetra nolazain'i Jehovah. (...) — b. 3, tt. 269, 270.