"Ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena." – Mar. 13:13.
Mofon’aina:
Tsy tokony hanomana lahateny matipaika haseho rehefa tonga amin'ny fitsarana ny mpanompon'i Kristy. Tokony hatao isan'andro isan'andro ny fiomanany amin'ny fanangonana ho rakitra ho an' ny tenany ireo fahamarinanasarobidy ao amin'ny tenin'Andriamanitra, sy amin'ny alalan'ny fivavahana izay mampahatanjaka ny finoany. Rehefa nentina teo amin'ny fitsarana izy ireo dia ny Fanahy Masina no hampahatsiaro ny fahamarinana izay ilaina indrindra.
Ny fiezahana atao isan'andro hahalalana an'Andriamanitra sy i Jesosy Kristy izay nirahiny no hitondra hery sy fahombiazana ho an'ny fanahy. Ny fahalalana azo tamin'ny fandinihana feno fahazotoana ny Soratra Masina, no hamerina ao amin'ny fitadidiany izay teny tokony hataony amin'ny fotoana mety. Fa raha misy manao an-tsirambina ny fifankazarany amin'ny tenin'i Kristy, na tsy mbola nanandrana mihitsy ny herin'ny fahasoavany eo amin'ny fitsapana, dia tsy afaka hanantena fa hampahatsiaro ny teny tokony hataony ny Fanahy Masina. Tokony hanompo an'Andriamanitra isan'andro amim-pitiavana tsy mizarazara izy, ary hatoky Azy rehefa tonga ny fotoan-tsarotra.
Hangidy indrindra ny fandrafiana ny filazantsara hany ka na dia ,ny fatorana mamy indrindra eo amin'ny ara-nofo aza dia hatao tsinontsinona. Ny ao amin'ny ankohonan'ny tenany ihany no hamadika ny mpianatra ka hitarika azy ho amin'ny fahafatesana. (...) Nibaiko azy Izy anefa tsy hitonon-tena ho amin'ny fanenjehana tsy ilaina. Matetika aza Izy no nandao ny raha niasany iray ka nankany amin'ny toerana hafa mba handosirany ireo izay mitady ny ainy. Rehefa notsipahina Izy tany Nazareta, ka nitady hamono Azy ny iray tanana Aminy, dia nidina nankany Kapemaomy Izy ary talanjona ny amin'ny fampianarany ny olona tao: "satria nisy fahefana ny tenany" – Lio. 4:32. Toy izany koa no tsy tokony hahakivy ny mpanompony noho ny fanenjehana, fa hitady ny toerana izay mbola hahazoany miasa ho amin'ny famonjena ny fanahy.
Tsy lehibe noho ny tompony ny mpanompo. Nolazaina fa Belzeboba ny Andrianan'ny lanitra, ary haseho amin'ny fomba diso toy izany koa ny mpianany. Nefa na toy inona na toy inona loza mananontanona, dia tsy maintsy manambara ny foto-kevitra ijoroany ny mpanaraka an'i Kristy (...) IFM, tt. 374,375, np.