Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miray Aminy mandrakariva

Daty
Alatsinainy 24 November 2025

 "Andriamanitra ô,  Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin'ny tany maina sy mangentana tsy misy rano."- Sal. 63:1

Mofon’aina:
Tsy misy olombelona afaka hanome izay zavatra hahafa-po ny fanahy noana sy mangetaheta. Fa hoy kosa i Jesosy: "Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondona; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko" – Apok. 3:20. "Izaho no mofon 'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony." – Jao. 6:35.

Tahaka ny ilantsika hanina hoenti-manohana ny herin'ny tenantsika, no ilantsika koa an'i Kristy, (...) ka hahazoantsika hery hanaovana ny asan'Andriamanitra.. Toy ny vatan-tena tsy maintsy fahanana lalandava hitehirizana ny aina sy ny tanjaka ao aminy, dia toy izany koa ny fanahy, tokony hiray lalandava amin'i Kristy, hanompo Azy sy hiankina Aminy.

Toy ny mpandeha ana mikatsaka rano any an'efitra, ka nony mahita dia migoka eo manafaka ny hetahetany, dia toy izany koa no tokony ho fanirian'ny Kristianina hahita ilay loharanon'aina madio izay miboiboika avy eo amin'i Kristy. Rehefa mahatsinjo ny fahatantera-han'ny hatsaran-toetry ny Mpamonjy isika, dia haniry ( ...) hohavaozina hadio tahaka Azy. Arakaraka ny itomboan'ny fahalal ants i ka an'Andriamanitra, no hisondrotan'ny marika irintsika hotratrarina amin'ny toetra mendrika sy hihamafisan'ny hetahetan'ny fanahintsika hitovy Aminy. Amin'izay dia misy hery avy any ambony mitsena ny fiezahantsika hanatratra ny toetr'Andriamanitra, ka miloa-bava ny fo mangetaheta manao hoe: "Miantombena amin 'Andriamanitra tokoa hianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko." – Sal. 62:5. 

Raha mahatsiaro ho tsy ampy am-panahy ianao ka noana sy mangetaheta fahamarinana, dia porofo izany fa manamboatra ny fonao i Kristy mba hahazoany manatanteraka ao aminao, amin'ny alalan'ny Fanahy Masina, ireo hatsaran-toetra irinao, izay tsy mety ho tratry ny tenanao samirery na oviana na oviana. (...)

 Ny Tenin'Andriamanitra ary no loharanon'aina. Raha mikatsaka izany rano velona izany ianao, dia hotarihin'ny Fanahy Masina ho tafaray amin'i Kristy. Hisy endrika vaovao ho hitanao amin' ireo terry efa nahazatra anao izay ela izay, ary hisy tara-pahazavana hiseho izay hampibaribary ny hevi-dalin'ny Soratra Masina. (...) — S, tt. 21,22. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal