Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Teniny sy ny Fitiavany

Daty
Alakamisy 27 November 2025

 "Amin 'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; fa mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin 'izao tontolo izao." – Isa. 26:9.

Mofon’aina:
Ny fitiavan'ny Mpamonjy no manery ireo iraka hitondra ny hafatra any amin'ireo izay very. Endrey, mahatalanjona manao ahoana loatra re ny fahalianana sy ny ezaka ataon'i Kristy ho an'ny mpanota e! Na dia atositosika sy hitsakitsahina mafy amin'ny fo vato aza ny Fitiavany, dia mbola miverina miangavy sy mitalaho amin-kery lehibe Izy manao hoe: "Indro efa mitsangana eo am-baravarana aho ka mandondona." – Ap6k. 3:20. Misarika sy mambabo amin-kery tsy mety resy ny Fitiavany mandra-pahatongan'ny fanahy ho voataona hanatona.

(...) Mambabo azy ireo amin'ny Tenin'ny fitiavany sy ny heriny Izy; satria ny Tenin'Andriamanitra no tsorakazon'ny Heriny. Izao no lazainy: "Tsy  tahaka ny afo va ny teniko? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va?"– Jer. 23:29. 

Rehefa alefan'ny Fanahy Masina ao am-pon'ny olona ny Tenin' Andriamanitra, dia mahery tokoa izany ka mandrodana ireo mandan' i Satana. Tsy misy azon'ny lehilahy sy vehivavy voafetra atao manoloana ilay fifanandrinana goavana, raha tsy noho ny Tenin'Andriamanitra ihany. Tsy hain'izy ireo ny hikasika amim-pahombiazana ny fon'ny olombelona izay mafy sy miziriziry ary mikatona sy mihidy (...). Na izany aza dia omen'Andriamanitra fahendrena ny lehilahy sy ny vehivavy, ka ny fanahy faran'izay malemy dia afaka ny ho tonga tahaka an' i Davida noho ny finoana an'Andriamanitra. 

Raisin'ny Tompo ho Azy ireo izay feno fanoloran-tena, eny, fa na dia lehilahy sy vehivavy tsy nahitafianarana sy tso-piaina aza, ka irahiny handroso hitondra ny hafa-pampitandremany. Manetsika ny fon'izy ireo amin'ny alalan'ny Fanahiny Izy; omeny tanjaka sy hery ara-panahy izy ireo, koa dia afaka handroso miaraka amin'ny Tenin'Andriamanitra sy hitaona ny olona hanatona. Amin' izany dia fanahy maro mahantra sy osa, izay maty mosary sy maniry mafy ny Mofon'ny fiainana no hiala avy amin'ny fahalemeny ka hohatanjahina. (...) — RH, 24 Septambra 1895.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal