Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny Teniny sy ny Fitiavany

Daty
Alakamisy 27 November 2025

 "Amin 'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina; eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra; fa mamely ny tany ny fitsaranao, dia mianatra fahamarinana ny mponina amin 'izao tontolo izao." – Isa. 26:9.

Mofon’aina:
Ny fitiavan'ny Mpamonjy no manery ireo iraka hitondra ny hafatra any amin'ireo izay very. Endrey, mahatalanjona manao ahoana loatra re ny fahalianana sy ny ezaka ataon'i Kristy ho an'ny mpanota e! Na dia atositosika sy hitsakitsahina mafy amin'ny fo vato aza ny Fitiavany, dia mbola miverina miangavy sy mitalaho amin-kery lehibe Izy manao hoe: "Indro efa mitsangana eo am-baravarana aho ka mandondona." – Ap6k. 3:20. Misarika sy mambabo amin-kery tsy mety resy ny Fitiavany mandra-pahatongan'ny fanahy ho voataona hanatona.

(...) Mambabo azy ireo amin'ny Tenin'ny fitiavany sy ny heriny Izy; satria ny Tenin'Andriamanitra no tsorakazon'ny Heriny. Izao no lazainy: "Tsy  tahaka ny afo va ny teniko? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va?"– Jer. 23:29. 

Rehefa alefan'ny Fanahy Masina ao am-pon'ny olona ny Tenin' Andriamanitra, dia mahery tokoa izany ka mandrodana ireo mandan' i Satana. Tsy misy azon'ny lehilahy sy vehivavy voafetra atao manoloana ilay fifanandrinana goavana, raha tsy noho ny Tenin'Andriamanitra ihany. Tsy hain'izy ireo ny hikasika amim-pahombiazana ny fon'ny olombelona izay mafy sy miziriziry ary mikatona sy mihidy (...). Na izany aza dia omen'Andriamanitra fahendrena ny lehilahy sy ny vehivavy, ka ny fanahy faran'izay malemy dia afaka ny ho tonga tahaka an' i Davida noho ny finoana an'Andriamanitra. 

Raisin'ny Tompo ho Azy ireo izay feno fanoloran-tena, eny, fa na dia lehilahy sy vehivavy tsy nahitafianarana sy tso-piaina aza, ka irahiny handroso hitondra ny hafa-pampitandremany. Manetsika ny fon'izy ireo amin'ny alalan'ny Fanahiny Izy; omeny tanjaka sy hery ara-panahy izy ireo, koa dia afaka handroso miaraka amin'ny Tenin'Andriamanitra sy hitaona ny olona hanatona. Amin' izany dia fanahy maro mahantra sy osa, izay maty mosary sy maniry mafy ny Mofon'ny fiainana no hiala avy amin'ny fahalemeny ka hohatanjahina. (...) — RH, 24 Septambra 1895.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal