Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany

Daty
Alakamisy 27 November 2025

FAMPODIANA HO AMIN'NY TANY

Vakio ny Jer. 24:6; Jer. 31:16; Ezek. 11:17; Ezek. 28:25 ary ny Ezek. 37:14.25. Inona no teny fikasan ‘Andriamanitra mikasika ny fiverenan'ny Isiraely any amin'ilay Tany Nampanantenaina, ary ahoana no nahatanterahan'izany?

Nandritra ny fotoam-pahababoana tany Babylona, dia tsy fanandramana maho-nena ihany no niainan'ny Isiraelita, ny tsy fananany tany izany. Hitan'izy ireo tamin' izany koa mantsy fa ny teny fikasana mikasika ny fifandraisany amin'Andriamanitra, na dia notanterahina tamin'ny alalan'ny fampanantenana azy ny tany aza, dia tsy niankina tamin'ny fitoeran'izy ireo tao amin'ilay tany na voafetran'izany. Rehefa niaiky ny fahotany sy nibebaka ary nitady an'i Jehovah tamin'ny fony rehetra ny Isiraelita, dia notanterahin'Andriamanitra indray ny teny fikasany, ka nampodiny ho any amin'ny taniny indray izy ireo ho fanehoana ny famerenana azy amin'ny laoniny. Izany hoe, mbola Andriamanitr'izy ireo hatrany Izy, na dia tsy tao amin'ilay tany aza izy ireo.

Na izany aza, misy fepetra ny teny fikasana mikasika ny fonenan'ny Isiraely mandrakizay eo amin'ny tany (Deo. 28:63,64; Jos. 23:13,15; 1 Mpanj. 9:7; 2 Mpanj 17:23; Jer. 12:10-12), tahaka izany koa ny teny fikasana ny amin'ny hampodiana azy ireo indray ho ao sy ny hanomezana azy fiadanana sy fahombiazana aorian'ny fahababoana. Eo ankilan'izany, ireo mpaminanin'ny TT dia nanondro ny famerenana amin'ny laoniny izay hataon'ny mpanjaka iray eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida (Isa. 9:5,6; Zak. 9:9,16). Tanteraka io teny fikasana io teo amin'ny fiainan'i Jesosy Kristy sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin'ny maty. Ao Aminy no hahatanteraka ireo teny fikasana rehetra nomena ny Isiraely fahiny.

Tsy tononina mivantąna ny Tany Nampanantenaina ao amin'ny TV; ambara amintsika kosa fa efa tanteraka ao amin'i Jesosy Kristy sy amin'ny alalany ireo teny fikasan Andriamanitra (2 Kôr. 1:20; Röm. 15:8). Araka izany, noho ny amin'i Kristy, dia nomena heviny vaovao ny tany, ka nanjary tandindon'ny fitahiana ara-panahy izay irin'Andriamanitra homena ireo vahoakany mahatoky ety sy amin'izao fotoana izao (Efes. 2:6) ary rahatrizay.

Any amin'ny tany vaovao no ho fahatanterahana faratampon'ny teny fikasan' Andriamanitra momba ny fitsaharana, sy ny fiainana be dia be ary ny fiadanana eo amin'ny tany, tany vaovao izay tsy hisy fahotana sy ny vokany rehetra. Araka izany, ny fanantenantsika amin'ny maha-Kristianina antsika dia miorina amin'ny teny fikasan'i Kristy fa hiverina Izy ary hanorina ny fanjakany mandrakizay eo amin'ny tany izay havaozina indray aorian'ny arivo taona any an-danitra. Izany no ho fahatanterahana faratampon'ireo teny fikasana rehetra mikasika ny tany.

Vakio ny Jao. 14:1-3 sy ny Tit. 2:13 ary ny Apok. 21:1-3. Inona no fanantenana faratampony ho antsika ao amin'ireo toko sy andininy ireo, ary nahoana ny fahafatesan'i Jesosy no antoka ho an'ny fahatanterahan'izany fanantenana izany?
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal