Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fibebahana mahafaly ny lanitra

Daty
Alahady 07 December 2025

 "Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao. Ary ho an 'ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy." - Jao 17:18,19.

Mofon’aina:
Ao amin'ny fanoharana momba ny ondry very dia nampianatra i Kristy fa ny famonjena dia tsy avy amin'ny fitadiavantsika an'Andriamanitra fa avy amin'ny fitadiavan'Andriamanitra antsika. "Tsy misy izay mitady an' AndriaM anitra. Samy nania avokoa izy rehetra"- Rôm. 3:11,12. Tsy mibebaka isika mba hahazoan'Andriamanitra mitia antsika, fa nasehony ny fitiavany mba hahazoantsika mibebaka. 

Filazan'ny raby ny hoe misy fifaliana any an-danitra, rehefa misy olona nanota tamin'Andriamanitra ka nolevonina; nefa i Jesosy nampianatra fa ho an' Andriamanitra, ny asa fandevonana dia asa tsy fanaony mandrakariva. Izay ifalian'ny lanitra manontolo dia ny famerenana indray ny endrik'Andriamanitra eo amin'ireo fanahy izay noforoniny.

Rehefa nisy olona nania ary efa lasan-davitra teo amin'ny fahotana, ka mba mitady hiverina amin' Andriamanitra, dia hisetra fanakianana sy tsy fahatokiana izy. Ao ireo hisalasala raha tena izy marina ny fibebahany, ka hibitsibitsika hoe: "tsy mahatombon-tsiraka izy; tsy mba mino aho fa haharitra izy." 

Ny olona toy izany dia tsy mba manao ny asan'Andriamanitra, fa ny asan'i Satana izay mpiampanga ny rahalahy. Manantena ny hanakivy io fanahy io amin'ny alalan'ny faninitsiniana ilay ratsy, sy hitarika azy lavitrakokoany fanantenanaary hi saraka amin'Andriamanitra. Aoka ny mpanota mibebaka hijery ny fifaliana any an-danitra noho ny fiverenan'ny anankiray izay very. Aoka izy hahita fitsaharana ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, ary na manao ahoana na manao ahoana, aoka tsy ho kivy noho ny fanarabiana sy ny fiahiahian'ny Fariseo. (...)

I Kristy (...) dia nanetry tena avy amin'ny toerana ambony nisy Azy, ka nandao ny voninahitra niarahany nanana tamin'ny Ray, mba hamonjy ilay izao tontolo izao iray very. Ho an' io no nandaozany ireo izao tontolo izao tsy nanota any ambony ireo, ho "voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika". Andriamanitra no nanolo-tena tao amin'ny Zanany mba hahazoany fifaliana amin'ny fandraisana indray ny ondry izay efa very. (...) — HF, tt. 157-158.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal