Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ampiany hitandrina ny didiny

Daty
Alarobia 10 December 2025

 "Ary tamin 'izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron Jordana, dia nanatona an Jaona Izy mba hataony batisa. Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe. Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko? Fa namaly Jesosy ka niteny taminy hoe: Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra. Ka dia nekeny Izy".- Mat. 3:13-15.

Mofon’aina:
M. ba hahatanteraka ny "fahamarinana rehetra", dia tsy tapitra teo amin'i Kristy tsy akory ny fahamarinana rehetra. Nanatanteraka izay notakin' Andriamanitra rehetra tao amin'ny fibebahana sy ny finoana ary ny batisa Izy; dia ireo dingan'ny Fahasoavana eo amin'ny tena fiovam-po marina. Tao amin'ny maha-olombelona Azy dia nanatanteraka ny fitakian'ny lalàna Izy. Lohan'ny olombelona rehetra Izy ary Mpisolo sy Antoka. Ny olombelona, dia afaka ny ho mpiray amin'ny Fombany, raha toa mampikambana ny fahalemeny amin'ny maha-Andriamanitra an'i Kristy.

 Tonga hanome ny ohatry ny fanarahana tanteraka ny lalàn' Andriamanitra i Kristy (...). Efa nilaza Izy fa tsy tonga mba handrava ny lalàna fa hanatanteraka amin'ny fankatoavana feno sy tanteraka.

Tamin'izany no nanandratany ny lalàna sy nanomezany voninahitra izany. Nasehony teo amin'ny Fiainany ny toetra ara-panahin'ny lalàna.

Nasehony tamin'ireo voarin'ny lanitra, sy tamin'ny tontolo tsy lavo ary tamin'ny tontolo mpandika lalàna sy tsy mahay misaotra ary tsy masina, fa tanteraka tao Aminy na dia ny kely indrindra tao amin'ny filamatry ny lalàna aza. Tonga Izy haneho ampahibemaso fa ny olombelona izay tafaray amin'ny lanitra noho ny finoana velona, dia afaka mitandrina ny didin'Andriamanitra rehetra. 

Natao hanondro an'i Kristy ireo karazana fanatitra, ka rehefa tanteraka tao Aminy ny sorona dia tsy nisy vidiny intsony teo anatrehan'Andriamanitra ireo fanatitra hafa rehetra. Tao amin'ny fahafatesan'ilay Zanak'Andriamanitra Lahy Tokana no nihaona ny tandindona sy ny tena Izy. Tonga Izy mba hametraka amin'ny tena maha-izy azy ny toetry ny lalàna, hanambara fa ny tsy fankatoavana sy ny fandikan-dalàna dia tsy hahazoantsika ny fiainana mandrakizay avy amin'Andriamanitra mihitsy. Tonga olombelona Izy mba hanatrarana ny olombelona. (...) — MR, b. 10, tt. 292,293. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal