Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Malahelo noho ny ota

Daty
Zoma 12 December 2025

 "Fa ny alahelo araka an 'Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon 'izao tontolo izao." – 2 Kôr. 7:10.

Mofon’aina:
Ny fitiavan'Andriamanitra akory tsy hitarika ho amin'ny fanamaivanana ny fahotana, tsy hanarontsarona na hanala tsiny ny ratsy izay tsy niaikena izany. Diso aoriana loatra ny nianaran'i Akana fa ny lalàn'Andriamanitra, tahaka Azy ihany, dia tsy miova. (...) Manaraka antsika izany, ary mahatratra na dia izay loharanon'ny asantsika miafina indrindra aza. Voatarika hanao tsinontsinona ny lalàn'Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy rehefa mampanaram-po ny fahotana. (...)

Ny lalàn'Andriamanitra no filamatra lehiben'ny fahamarinana, ary ny atao rehetra eo amin'ny fiainana dia tsy maintsy hampitahaina aminy amin'ny andro izay hitsaran'Andriamanitra ny asa rehetra (...). Ny fahadiovan'ny fo no mitarika ho amin'ny fahadiovan'ny fiainana. Zava-poana avokoa ny fialan-tsiny rehetra ny amin'ny fahotana. Iza no afaka hisolo ny mpanota raha sanatria ka manohitra azy Andriamanitra? —ST, 21 Avrily 1881. 
Maro ireo mitonona ho Kristianina no toa an' i Akana manoloana ny fiaikena ny fahotana. Fantany ankapobeny ny tsy fahamendrehany, saingy tsy mety hiaiky ny helony izy ka dia hitambesatra mandrakariva ao an-tsainy izany. (...)

Ny tena fibebahana marina dia avy amin'ny fahatsapana fa ratsy ny fahotana. Ny fiaikena ankapobeny ny fahotana kosa dia noho ny tsy fietrena marina ataon'ny fanahy eo anatrehan'Andriamanitra. Mahatonga ny mpanota ho afa-po amin'ny tenany izany ka handeha araka izay nandehanany teo aloha ihany izy, mandra-pahatonga ny feon'ny fieritreretany ho dombo ka tsy hahita loza intsony izy eo anatrehan'ireo fampitandremana nanaitra azy fahiny. Manjary mety ny fahitany ny asa feno fahotana ataony. Ho diso aoriana loatra anefa amin'ny fotoana hahitany ny vokatry ny fahotany, satria tsy hisy fanatitra na sorona hahonitra izany mandrakizay. (...) — ST, 5 Mey 1881.

(...) Ny fibebahan'i Akana, na dia tratra aoriana aza ka tsy nitondra famonjena ho an'ny tenany, dia naneho ny toetran'Andriamanitia teo amin' izay nataony tamin' i Akana. Ary izany dia nanakatom-baravarana ny fakam-panahy mpahazo ny zanak'Isiraely - ny fanomezan-tsiny ireo mpanompon'Andriamanitra noho ireo asa nampiandraiketin'Andriamanitra azy ireny. — SDABC, b. 2, t. 997. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal