Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manatratra ny idealin’i Kristy

Daty
Sabotsy 13 December 2025

 "Fa  Izao no lazain'ny Tompo, dia Jehôvah , ny Iray Masin'ny Isiraely: Amin 'ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin 'ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian 'ny herinareo; nefa tsy nety hianareo." – Isa. 30:15.

Mofon’aina:

Hitan'Andriamanitra ny ezaka rehetra ataonao mba hanatrarana ny filamatra efa napetrany ho anao. Rehefa tsy mahomby ianao, rehefa voafandrika hanota, dia aza mihevitra fa hoe tsy afaka mivavaka, na koa tsy mendrika hankeo anatrehan'Andriamanitra. (...) Amin' ny sandry mitsotra no hiandrasany hisakambina ilay nania. Manatôna Azy, ary lazao Azy ny fahadisoanao sy ny tsy fahombiazanao. Angataho Izy hanatanjaka anao ho amin'ny ezaka vaovao. Tsy handiso fanantenana anao Izy na hanararaotra ny fitokisanao Aminy. (...) 

Hihatra aminao ny fizahan-toetra. Amin' izany no handaman'ny Tompo ny marokoroko amin'ny toetranao. Aza mimonomonona. (...) Na dia misy manisy ratsy anao aza, dia hazony ao am-ponao ny fitiavana an'Andriamanitra. (...) 

Fantatr'i Kristy ny herin'ny fakam-panahy mihatra aminao sy ny hery hoentinao manohitra izany. Ny sandriny dia mitsotra mandrakariva, miantra sy manambitamby ny zanany ory rehetra. Ho an' izay alaim-panahy na kivy dia hoy Izy: Anaka, ianao no antony nijaliako sy nahafatesako, afaka matoky Ahy ve ianao? (...)

Tsy misy teny mahalaza ny fiadanana sy ny fifaliana ananan'izay mihazona an'Andriamanitra amin'ny Teniny. Tsy mampaninona azy ny fitsapana ary tsy manafintohina azy ny fanevatevana. Voahombo ny izaho. Mety hihamavesatra isan'andro ny adidiny, mety hihamahery koa ny fakam-panahy mamely azy, ary mety hihamafy ny fitsapana, nefa tsy milofika izy, satria mandray hery mifanentana amin' izay ilainy hiatrehana izany. — YI, 26 Jona 1902. 

(...) I Kristy tsy nanome toky tsy akory fa zavatra mora ny hahatrarana ny fahatanterahan'ny toetra amam-panahy.(...) Ny toetra amam-panahy ambony dia azo noho ny fiezahan'ny tena manokana amin'ny alalan'ny fahamendrehana sy ny fahasoavan'i Kristy. Manome antsika ny talenta sy ny fahaizana Andriamanitra; anjarantsika ny mamolavola ny toetra amam-panahy.(...) Tokony hokianintsika akaiky ny tenantsika ka tsy avelantsika hisy lafiny iray tsy ho voahitsy. (...)-HF, t. 339 (ed. 2004)

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal