Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka

Daty
Talata 16 December 2025

FARITRA MAZAVA MAMPISARAKA

Ireo teny nampiasainy tany amin'ny fiandohan'ny boky ihany (Jos. 1:7,8) no nampiasain'i Josoa hilazana fa tsy raharaha ara-tafika no miandry ny Isiraely voalohany indrindra, fa ara-panahy, dia ny fankatoavana ny sitrapon'Andriamanitra voambara ao amin'ny Torah.

Araka ny hevitrao, nahoana no hentitra toy izany i Josoa mikasika ny fifandraisan'ny Isiraely tamin'ireo firenena manodidina azy? (Jos. 23:6-8,12,13).

Ny loza mananontanona ny Isiraely dia tsy avy amin'ny fankahalan'ireo firenena sisa azy, fa ny loza ateraky ny fisakaizany aminy. Mety tsy ho olana ho an'ny Isiraely ny fitaovam-piadian'ireo fahavalony; fa ny foto-pisainan'izy ireo sy ny "soatoaviny" kosa (izay mifanohitra amin'ny soatoavina raha ny marina) no mety hanimba lavitra noho izay mety ho hery ara-tafika rehetra. Nosarihin'i Josoa ho amin'ny tena zava-dehibe ny sain'ireo mpitarika: ny ady ataon'izy ireo dia ara-panahy, hatramin'ny voalonany ka hatramin'ny farany. Noho izany, tsy maintsy mihazona ny maha-izy azy manokana ny Isiraely.

Ny fandrarana tsy hanononan'izy ireo ny anaran'ny andriamanitr'ireo firenen-kafa, ka tsy hianianany amin'ny anarany, na hanompoany azy, na hiankohofany eo anatrehany dia mifandraika amin'ny fanompoan-tsampy. Tany Proche-Orient fahiny, ny anaran'ny andriamanitra dia naneho ny fanatrehany sy ny heriny. Ny fanononana na filazana ny anaran'ireo andriamani-kafa teo amin'ny fomba fiarahabana andavanandro na teo amin'ny raharaha ara-barotra, dia nidika ho fanekena ny fahefany ary nitarika ny Isiraelita hitady ny heriny rehefa tojo zava-manahirana (ampitahao amin'ny Mpits. 2:1-3, 11-13).

Mampidi-doza ny fifanambadiany amin'ireo Kananita sisa satria mitondra ho amin'ny fahaverezan'ny fahadiovana ara-panahin'ny Isiraely izany. Tsy ny hitandroana ny fahadiovana ara-pirazanana na ara-poko no anton'ny fampitandreman'i Josoa, fa ny hialana amin'ny fanompoan-tsampy, izay mety hitarika ho o amin'ny faharavan'ny Isiraely ara-panahy. Ohatra mampalahelo ny amin'ny voka-dratsy ara-panahy aterak'izany fifanambadiana izany ny tantaran'i Solomona (1 Mpanj. 3:1; 1 Mpanj. 11:1-8). Nomena fampitandremana mazava ny Kristianina ao amin'ny TV mba tsy hanambady tsy mpino (2 Kôr. 6:14), na dia tsy mampirisika ny hisarahana amin'ny vady tsy mpino aza i Paoly ho an'ireo efa tafiditra amin'izany; saingy miantso azy ireo kosa izy mba hanana fiainana kristianina marina, miaraka amin'ny fanantenana fa ho babony ho an'ny Tompo ny vadiny (1 Kôr. 7:12-16).

Ny fampitandremana nataon'i Josoa momba ny fikambanana manimba dia mampieritreritra avy hatrany ny amin'ny fifandraisan'ny Kristianina amin’izao tontolo izao". Ahoana no hahaizantsika mandanjalanja tsara eo amin'ny fifandraisantsika amin'ny fiarahamonina manodidina antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal