Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampandroso ny fanjakany

Daty
Alatsinainy 15 December 2025

 "Fa izao zavatra izao no nataon'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; nefa izao no olona hotsinjoviko, dia izay malahelo sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko. "- Isa. 66:2.

Mofon’aina:
Asehon' Andriamanitra an-tsika ao amin'ny Teniny ny fomba tokana tokony hanatanterahana izao asa izao. Tokony hanao asa amin'ny fo sy feno fahatokiana isika, hiasa mafy ho an'ireo fanahy maro tahaka izay tsy maintsy hampamoahina. "Mibebaha," izany no hafatra nanakoako nentin'i Jaona tany an' efitra. 

Izao no hafatr'i Kristy ho an'ny vahoaka: "raha tsy mibebaka hianareo, dia ho ringana."-Lio. 13:5. Ireo Apostoly dia nomena baiko mba hitory any amin'ny toerana rehetra mba hahatonga ny mpanota hibebaka. Ny Tompo dia maniraka ny mpanompony ankehitriny mba hitory ireo fampianaran'ny filazantsara hatrizay: ny alahelo noho ny fahotana sy ny fibebahana ary ny fiaiken-keloka. (...)

 (...) Horaisin' i Kristy ny fanahy izay manatona Azy amim-pibebahana marina tokoa. Ny fo torotoro sy mangorakoraka dia tsy mba hataony tsinontsinona. 

Re eny amin'ny laharana rehetra ny hiakiakan'ady. Aoka ny miaramilan'ny hazo fijaliana handroso, tsy amin'ny fitokisan-tena anefa fa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fileferan'ny fo. Ny asanao, ny asako dia tsy hiato mandritra ity fiainana ity. Fotoana fohy ihany no hialana sasatra ao am-pasana, fa rehefa tonga ny antso dia hataontsika indray ny asantsika any amin'ny fanjakan ' Andriamanitra mba hampandrosoana ny voninahitr' i Kristy. Ety an-tany dia efa tokony hatomboka izany asa masina izany. Tsy izay mahafinaritra antsika sy tiantsika no tokony himasoantsika.. Izao ny fanontaniana tokony hapetratsika: inona no azoko atao hitondrana ny hafa hankeo amin'i Kristy? Ahoana no ataoko mba hampahafantarana ilay fitiavan'Andriamanitra izay mihoatra ny fahalalana rehetra? ST, 27 Desambra 1899. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal