Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manjary manetry tena

Daty
Alakamisy 18 December 2025

 "Fa na dia te-hirehareha aza aho, dia tsy ho adala, fa hilaza ny marina; nefa tsy manao izany aho, fandrao misy olona mihevitra ahy ho mihoatra noho izay ahitany ahy na izay andrenesany ny teniko." - 2 Kôr. 12:6.

Mofon’aina:
Tokony ho tahaka an'i Kristy ireo mpanaraka Azy – noho ny   fahasoavan'Andriamanitra dia hamolavola toetra amam-panahy mifandrindra amin'ny foto-kevitry ny lalàny masina izy. Izany no fanamasinana araka ny Baiboly.

Tsy mety ho tanteraka anefa izany raha tsy amin'ny alalan'ny finoana an'i Kristy ihany sy amin'ny alalan'ny hery avy amin'ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra ao anatiny. (...)

 (...) Asehon'ny Soratra Masina mazava fa miandalana ny asan'ny fanamasinana. Rehefa vita fihavanana amin'Andriamanitra ny rnpanota amin'ny alalan'ny ran'ny fanavotana, dia vao manomboka amin'izay ny fiainanakristiana. Izao izy vao mandroso "ho amin'ny fahatanterahana," hitombo ka "hahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy." (...) I Petera kosa mampiseho antsika ireo dingana izay hahatratrarana ny fahamasinana voalazan'ny Baiboly. "Manaova izay zotom-po rehetra kosa hianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fàhatanjahan-tsainareo dia fahazavana, ary amin 'ny fahalaianareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an 'Andriamanitra, ary amin 'ny toe-panahinareo araka an 'Andriamanitra dia .fitiavana ny rahalahy (...) fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay" -2 Pet. 1:5-10. 

Ireo izay miaina amin'ny fanamasinana araka ny Baiboly dia mampiseho toe-tsaina feno fanetren-tena. Tahaka an' i Mosesy dia efa nahita ny voninahitra mahatahotry ny fahamarinana izy, ka mahita ny tsy fahamendrehan'ny tenany mifanohitra amin'ny fahadiovana sy ny fahatanterahana feno eo amin'Ilay tsy manam-petra. (...) 

Tsy mety hisy fanandratan-tena, na fireharehana fa afaka amin'ny fahotana amin'izay mandeha eo amin'ny aloky ny hazo fijalian' i Kalvary. Tsapany fa ny fahotany no nahatonga ny ady nihatra aman'aina izay nahavaky ny fon'ny Zanak'Andriamanitra, ka io fisainana io dia hitarika azy ho amin'ny fanetren-tena lalina. (...).- HM, tt. 484, 485.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal