Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiovan-toetra no vokany

Daty
Zoma 19 December 2025

 "Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy hianareo, ry taranak 'Isiraely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin 'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany".–Ezek. 18:30.

Mofon’aina:

I Nikodemosy ilay manam-pahaizana dia nandalina ireo  faminaniana lehibe [toy ny 
Sal. 51:10-13; Ezek. 36:26, 27]; tsy takatry ny sainy izany fahiny, fa izao dia nanomboka nahatakatra ny tena heviny izy. Nanomboka takany koa fa na dia ny olona marina sy mendri-kaja toa azy aza dia tsy maintsy mandalo amin' ny fanandraman'ny fahateraham-baovao ao amin'i Jesosy Kristy. Izany no fepetra tokana haha-voavonjy azy sy hahafahany miditra ao amin'ny fanjakan ' Andriamanitra. (…)

(...) Tsy misy zavatra noforonin'ny olombelona mety hahasitrana ny fanahy manota. Amin'ny alalan'ny fibebahana sy ny fietrena ihany, ary amin'ny fi leferana amin' ireo fitakian' ny lanitra no hahatanteraka ny asan'ny fahasoavana. (...) 

Tsy misy afa-tsy ny fanekena sy ny fampiharana ny fahamarinan'ny lanitra ihany no manokatra ny varavaran'ny fanjakan'Andriamanitra ho an'ny olombelona. Ny fo madio sy mietry, mpankatò sy manam-pitiavana, ary mijoro amin'ny finoana sy ny fanompoana ny Tsitoha ihany no afaka hiditra any. Hoy koa i Jesosy: "Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak 'olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy."- Jao. 3:14, 15. 
Ny menarana tany an'efitra dia nahantona tamin'ny hazo lava teo anatrehan'ny vahoaka, mba hahazoan'izay rehetra voakaikitry ny menarana afo ka efa ho faty mijery ilay menarana varahina, izay tandindon'i Kristy, ary ho sitrana avy hatrany. Tsy maintsy mijery amin'ny finoana anefa izy ireo, raha tsy izany, dia tsy hisy vokany izany. Toy izany koa no tsy maintsy ijeren'ny olona amin' izao andro izao ny Zanak'olona ho Mpamonjy azy, mba hahazoany ny fiainana mandrakizay. Nihataka tamin'Andriamanitra noho ny fahotany ny taranak'olombelona. Nitondra ny maha-Andriamanitra Azy teto an-tany i Kristy, nitafy ny maha-olombelona, mba hamonjena ny taranak'olombelona (...). Ratsy ny toetry ny olombelona, ary tsy maintsy ovana ny toetra mba hahatonga azy hifandrindra amin'ny fahadiovana sy ny fahamasinana any amin'ny fanjakan'Andriamanitra mandrakizay. Izany fiovana izany no fahateraham-baovao.— ST, 15 Nôvambra 1883.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal