Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fanomezana ny fibebahana sy ny famelan-keloka

Daty
Sabotsy 20 December 2025

 "Izy nasandratry ny tanana ankavanan 'Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy, hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an 'ny Isiraely." – Asa. 5:31.

Mofon’aina:
Betsaka ireo izay diso hevitra mikasika ny toetry ny fibebahana. Mihevitra izy fa tsy afaka manatona an'i Kristy raha tsy efa mibebaka aloha, ary izany fibebahana izany no manomana azy handray famelan-keloka. Marina tokoa fa mialoha ny famelan-keloka ny fibebahana; satria ny fo torotoro sy mangorakoraka ihany no hahatsapa fa mila Mpamonjy.

Kanefa moa ve ny mpanota tsy afaka hankeo amin'i Jesosy raha tsy efa nibebaka aloha? Moa ve ny fibebahana natao ho sakana manelanelana ny mpanota amin'ny Mpamonjy? Hoy i Jesosy: "Ary Izaho, raha asandratra hiala amin'ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy. "- Jao. 12:32. ( . . . ) 

Nanome tari-dalana momba ny pl anin' ny famonjena ny apostoly Paoly. Hoy izy: "ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason 'ny olona ary tao amin 'ny isan-trano; ary nambarako tamin 'ny • Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin 'Andriamanitra sy ny finoana an 'i Jesosy Kristy Tompontsika. "- Asa. 20:20-21. Raha milaza ny amin'ny Mpamonjy indray i Jaona dia hoy izy: "Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy"- 1 Jao. 3:5.

Tsy maintsy manatona an'i Kristy ny mpanota ka manaiky Azy ho Mpamonjy sy hany Mpanampy azy, mba hahatongavany ho amin'ny fibebahana (...) Ny herin'i Kristy no mitarika ho amin'ny fibebahana tena izy. Fanomezana avy amin'i Kristy tahaka ny famelan-keloka koa ny fibebahana, ary tsy mety hita ao amin' ny fo izay tsy niasan'i Jesosy izany. (...) Mitaona ny mpanota amin'ny alalan'ny fanehoany ny Fitiavany teo amin'ny hazo fijaliana i Kristy, Fitiavana izay manalefaka ny fo sy miasa mahery ao amin'ny fisainana ary manorotoro ny fo sy mitaona ny fanahy hibebaka.— RH, 01 Avrily 1890. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal