Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mibebaha ary aoka ho masina

Daty
Alahady 21 December 2025

 "Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman'ireo ny lalan'i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran 'i Jehovah amin'i Abrahama izay efa nolazainy taminy."– Gen. 18:19.

Mofon’aina:
Tanteraka amin' ny lafiny rehetra ny planin' Andriamanitra   momba ny famonjena. Hirindra tsara avokoa ny zava-drehetra raha toa isika samy manao amim-pahatokiana ny andraikitra nomena antsika avy. Ny fihemorantsika no mitarika fifandrafiana sy fahoriana ary fahapotehana. Tsy mba mampiasa ny heriny hampahoriana ny voary noforonin'ny Tanany Andriamanitra. Tsy mitaky mihoatra noho izay tokony ho vitan'izy ireo lzy. Tsy manafay ny zanany tsy mankato mihoatra noho izay ilaina mba hitondrana azy ho amin'ny fibebahana Izy (...) Tsy misy fialan-tsiny manamarina ny fikomiana amin'Andriamanitra. 

Ny fitsarana ataon'Andriamanitra avy hatrany aorian'ny fandikan-dalana, ny toroheviny sy ny fananarany, ny fanehoany ny fitiavany sy ny indrafony, ary ireo toe-javatra miverimberina izay maneho ny Heriny – ireo rehetra ireo di a an isan ' ny drafiteAndriamanitra mba hiarovana ny olony amin'ny fahotana sy hahatonga azy ireo ho madio sy masina, ka Izy no ho herin' izy ireo sy fialofana ary valim-pitia lehibe indrindra ho azy. Nefa ny fikirizan'ny lsiraelita handika lalana sy ny fiodinany tamin'Andriamanitra ary ny fanadinoany ny Famindrampony, dia naneho fa maro no nisafidy ho mpanompon'ny fahotana toy izay ho zanaky ny Avo indrindra. (...) 

Niezaka i Josoa nitady fomba hanehoana tamin'ny vahoakany ny fisafotofotoan' ny fitondrantenan' izy ireo feno fihemorana. Niriny ny hahatsapan'izy ireo fa tonga izao ny fotoana tsy maintsy hanaovana fanovana ifotony, sy hamoizana izay rehetra hahitana soritra fanompoan-tsampy, ary hiverenana amin'Andriamanitra amin'ny fo manontolo. Nataony izay hahatakaran' izy ireo fa ny fihemorana miharihary dia azon' Andriamanitra leferina kokoa noho ny fihatsarambelatsihy sy ny fiankohofana tsy misy aina.

Raha sarobidy ny fahazoana sitraka amin'Andriamanitra, dia mendrika ny hamoizana ny zavatra rehetra izany. Koa nandray fanapahan-kevitra i Josoa, ary rehefa avy nandanjalanja tsara izy, dia tapa-kevitra fa hanompo an'i Jehovah amin'ny fony manontolo. Ary tsy izany ihany, fa hanao ny ezaka rehetra izy mba hitaomana ny ankohonany hanao toy izany koa.- ST, 19 Mey 1881. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal