Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miandry izay rehetra mibebaka izy

Daty
Alatsinainy 22 December 2025

 "Dia homeko fo iray izy, ary hasiako fanahy vaovao ao anatinareo; ary hesoriko amin'ny nofony n’y fo vato ka homeko fo nofo izy mba handehanany araka ny didiko sy hitandremany ny fitsipiko ka hanarahany izany, ary izy dia ho oloko, ary Izaho ho Andriarnaniny". Ezek. 11:19,20.

Mofon’aina:
 Efa nasehon'Andriamanitra tamin'ny fomba mazava ny Sitrapony mahakasika ny famonjena .ny mpanota. Ny toe-tsaina izay hita ao amin'ny maro, ny fisalasalana sy ny tsy finoana raha toa hamonjy azy tokoa Andriamanitra na tsia, dia fisalasalana momba ny toetran' Andriamanitra mihitsy. (...)

 Horaisin'i Jehovah ny mpanota rehefa mibebaka sy mahafoy ny fahotany. (...) Ny tanjon'ny nanolorana ny Zanak'Andriamanitra noho ny fahotan'izao tontolo izao dia ny mba hamonjena ny olona, tsy ao anatin'ny fandikan-dalana sy ny tsy fahamarinana anefa, fa amin'ny alalan'ny fialana amin'ny fahotana sy ny fanasana ny toetrany mba hadio (...). Tiany raha esorina amin'ny mpanota ny zava-maniratsira rehetra izay halany, nefa tsy maintsy miara-miasa Aminy amin'izany izy ireo. Tsy maintsy afoy sy ankahalaina ny fahotana, ary raisina amin'ny finoana kosa ny fahamarinan' i Kristy. Amin'izay vao hiara-miasa amin'ny olombelona ny lanitra. 

Aoka isika hitandrina andrao hanome toerana ny fisalasalana sy ny tsy finoana ka himonomonona momba an' Andriamanitra amin'ny fanehoana toetra kivy, sary diso momba Azy mantsy no asehontsika amin'izao tontolo izao amin'izany. Milahatra hiandany amin' i Satana isika amin' izay. (…) 

(...) Aza omena vahana ilay mpaka fanahy fa -laza° hoe: "Efa maty i Jesosy mba hahavelona ahy. Tia ahy Izy any tsy sitrany ny hahavery ahy. Manana Ray any an-danitra izay be fiantra aho; ary na dia nanararaotra ny Fitiavany aza aho (...), dia hitsangana aho ka hody any amin'ny Raiko ary hanao Aminy hoe: "efa nanota (...) aho ka tsy mendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin'ny olona karamainao aho."- Lio. 15:18, 19. 

Lazain'ny fanoharana aminao ny fomba handraisana ilay nania (...) Tahaka izany no anehoan'ny Baiboly ny fahavononan'Andriamanitra handray indray ny mpanota mibebaka sy miverina Aminy. — TFC, b: 5, ft. 631,632. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal