Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitaona anao hibebaka ny fitiavany

Daty
Talata 23 December 2025

 "Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan 'izao tontolo izao no horoahina. Ary Izaho, raha asandratra hiala amin 'ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy. "- Jao. 12:31,32. 


Mofon’aina:
Tonga i Kristy mba haneho ny fitiavan' Andriamanitra   amin' izao tontolo izao ka hitaona ny fo rehetra hanatona Azy. Ny dingana voalohany ho amin'ny famonjena dia ny manaiky hotaomin'ny fitiavan'i Kristy. Nandefa hafatra mifanesy ho an' ny vahoakany Andriamanitra, nitaona azy ireo hibebaka, mba hamelany ny helok'izy ireo (...). Tsy hisy ye ny fibebahana? Moa ye ny antsony tsy hisy hanoina? (…)

Endrey! Raha manao izany ny mpanota dia miala amin'ny lalana izay hahafahany mahazo ny fiainana mandrakizay; satria izay mibebaka ihany no avelan'Andriamanitra heloka. Amin'ny fanehoan'Andriamanitra ny fitiavany sy ny fitalahoan'ny Fanahiny no itaomany azy ireo hibebaka; fa fanomezana avy amin'Andriamanitra ny fibebahana ary taominy hibebaka aloha ny olona vao havelany heloka. Ny fifaliana mamy indrindra dia avy amin'ny fibebahana marina tokoa amin'Andriamanitra noho ny fandikana ny Lalany, ary amin'ny finoana an'i Kristy ho Mpanavotra ny mpanota sady Mpisolovava azy. 

(...) Tonga i Kristy mba haneho amin'ny mpanota ny fahamarinan' Andriamanitra sy ny fitiavany (...). Rehefa mibanjina an'i Jesosy izay niantona teo amin'ny hazo fijaliana ny mpanota, Izy flay nijaly noho ny heloky ny mpandika lalana (...) dia ho voatarika hibebaka (...) izy ireo noho ny nandikany ny lalana izay masina sy marina ary tsara. Mino an'i Kristy izy ireo, satria nanjary Solony sy Antoka ho azy ary Mpisolovavany Ilay Mpamonjy avy any an-danitra (...). Hasehon' Andriamanitra amin'ny mpanota mibebaka ny famindrampony sy ny fahamarinany, ary harotsany amin'izy ireo ny famelan-keloka sy ny fitiavany.

Tamin'ny fahorian'i Kristy sy ny fahafatesany no nanaporofoany ny fitiavana tsy manam-petra itiavany ny taranak' olombelona. Vonona Izy hamonjy ary azony atao ny mamonjy (...) izay rehetra manatona an'Andriamanitra amin'ny alalany.- ST, 12 Septambra 1911. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal