Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Asa tsara aorian'ny fifohazana

Daty
Alarobia 24 December 2025

 "Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra." 1 Jao. 1:9.

Mofon’aina:
Ny fanahy izay mivelona amin'ny finoana an'i Kristy dia tsy haniry afa-tsy ny hahalala sy ny hanao ny sitrapon'Andriamanitra. Sitrak' Andriamanitra raha tanterahina amin'ny asa ny finoana an'i Kristy. Ampifandraisiny amin' ireny asa ireny ny famonjena sy ny fiainana mandrakizain'ireo izay mino, ary amin'ny alalan'ireny no anomezany ny fahazavan'ny fahamarinana izay hipariaka any amin'ny firenena sy ny olona rehetra. Izany no vokatry ny fiasan'ny Fanahin'Andriamanitra.

Mambabo ny fo ny fahamarinana, tsy fahataitairana fotsiny izany fa tena fiverenana marina amin'ny Tompo, ary ny sitrapo ratsin'ny taranak' olombelona dia hoentina hilefitra amin'ny sitrapon' Andriamanitra. Ny fandrobana ny ampahafolon' Andriamanitra sy ny fanatiny dia fandikana ny baiko mazava nomen'i Jehovah. Mahatonga loza amin' izay mihazona azy izany satria manakana ny fitahian'Andriamanitra tsy hirotsaka aminy, fitahiana izay nampanantenainy homena ireo manana fahitsiana sy mahatoky Aminy.

Rehefa tsy vitan' i Satana ny mangej a ny fanahin'ny olona ao amin'ny vongan-dranomandrin'ny hamafisam-po, dia ezahiny indray ny hanosika azy ireo ho ao amin'ny afon'ny fandraisana tendrony. Rehefa mankeo anivon'ny vahoakany ny Fanahin'Andriamanitra, dia manararaotra miasa koa ny fahavalo ka manao izay hanimbana ny asan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny toetramanokana, feno tsy fahamasinana, hita eo amin' ireo olona samy hafa misy ifandraisana amin'izany asa izany. Mety tandindomin-doza mandrakariva ny hanao zavatra tsy amim-pahendrena izy ireo, araka izany. Maro no manao asa araka ny fiheviny manokana, nefa asa izay tsy nampanaovin'Andriamanitra akory izany.

Ny fo izay manaiky hiasan'ny Fanahin'Andriamanitra dia hifa-ndrindra amin'ny Sitrapony. Naseho ahy fa rehefa miasa amin'ny alalan'ny Fanahiny Masina ny Tompo, dia tsy misy asa ataony ka mampietry ny vahoakan'Andriamanitra eo imason' izao tontolo izao fa manandratra azy ireo aza. Ny fivavahan'i Kristy dia tsy manao ireo izay mpanaraka azy ho mpitratrevatreva na tsy mahalala fomba. Manaiky ampianarina ireo izay milefitra amin'ny fahasoavana, ary vonona mandrakariva ny hianatra amin'i Jesosy sy hifanoro hevitra.- TFC, b. 5, tt. 644-647. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal