"Ny Fanahin 'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin 'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava." - Isa. 61:1.
Mofon’aina:
Tsy mahafaly an' Andriamanitra ny mahita ny vahoakany toy ny vondron' olona misaona. Fibebahana no tiany hataon' izy ireo mbah ifaIiany ao am in 'ny fahafahan'ny zanak'Andriamanitra ka dia ho feno fiderana an'Andriamanitra izy sady ho fitahiana ho an'ny hafa. I Jesosy Tompo dia voahosotra toy izany: "Hanolotra ho an 'ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy hamama ho solon'ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon'ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon'ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon'ny fahamarinana, nambolen'i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra."- lsa. 61:3.
Enga anie mba ho izany tokoa no tanjon'ny fiainantsika! Ary hoheverintsika manokana na dia ny endriky ny tarehintsika aza, ny teny ataontsika, eny, fa na dia ny lantom-peo itenenantsika koa aza. Ny raharaham-barotra rehetra dia hataontsika amin'ny finoana sy amin'ny fahatokiana mba ho resy lahatra izao tontolo izao fa misy tokoa ny vahoaka mahatoky amin'Ilay Andriamanitry ny lanitra.
Miantso ny olona rehetra Andriamanitra mba banana firaisana Aminy. Horaisiny izy ireo raha vonona hahafoyny asaratsiny.Amin' nyfiraisana amin'ny toetra araka an'Andriamanitra ao amin'i Kristy no hahafahany mandositra ny hery miasa mangina feno fahalovan'ity tontolo ity. Tonga izao ny fotoana hanapahan'ny tsirairay hevitra ny amin'izay hiandaniany. Hiasa amin'ny saina rehetra izay hanaiky hiasany ireo anjelin'i Satana. Kanefa eo koa ireo anjelin'ny lanitra izay miandry mba hampita ny taratra mamirapiratry ny voninahitr' Andriamanitra amin'izay rehetra vonona handray Azy. Fahamarinana no ilaintsika, fahamarinana sarobidy ao amin'ny fahatsarany rehetra. Hitondra fahafahana sy fifaliana ny fahamarinana.— SDABC, b. 4, tt. 1153, 1154.