FIANARANA FANAMPINY
Vakio ny "Teny farany nataon'l Josoà", tt. 523-526 ao amin'ny PM.
"Tamin'ireo vahoaka betsaka nivoaka avy tany Egypta, dia maro no nivavaka tamin'ny sampy. Nahery tokoa ny fahazarana ka nitohy tao amin'ny miafina izany fomba fanao izany, eny fa na taorian'ny fanorenam-ponenana tao Kanana aza. Fantatr'i Josoa ny fisian'izany faharatsiana izany teo anivon'ny Isiraelita, ary tsinjony miharihary tokoa ireo loza haterany. Niriny fatratra ny hahita fanavaozana tanteraka teo amin'ireo vahoaka hebreo. Fantany fa raha tsy manapa-kevitra ny hanompo an'i Jehôvah amin'ny fony rehetra izy ireo, dia hanohy hihataka Aminy hatrany hatrany. (...) Ampahany tamin'ireo vahoaka hebreo ireo no mpivavaka marina, fa ny ankamaroany kosa dia mpanaraka fombafombam-pivavahana fotsiny ihany, samy tsy hita teo amin'ny fanompoany na ny hafanam-po na ny fitiavana. Nanompo sampy tao am-pony ny sasany saingy menatra ny hiaiky marina izany." - ST, 19 Mey 1881.
"Voarakitra tao amin'ny bokin'ny lalana io fanekena io mba ho voatahiry amim-pahamasinana. Rehefa izay dia nanangana vato lehibe iray teo ambanin'ny hazo terebinta i Josoa, teo anilan'ny tabernakelin'i Jehôvah . 'Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain'i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin'Andriamanitrareo hianareo.' Mazava ny fanambaran'i Josoa eto fa ny toromarika sy ny fampitandremana nolazainy tamin'ny vahoaka dia tsy teniny tsy akory fa tenin'Andriamanitra. lo vato lehibe io no hampahatsiahy an'ireo taranaka mifandimby ny toe-javatra niseho izay tokony hotsaroan'izy ireo, ary koa ho vavolombelona hanameloka ny vahoaka raha toa izy ireo ka mitotongana ho amin'ny fanompoan-tsampy indray." - ST, 26 Mey 1881.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Ifanakalozy hevitra ny dikan'izao andalan-teny izao: "fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro" - Jos. 24:19. Amin'ny fomba ahoana no isehoan'ny fahasaro-piaron'Andriamanitra?
2. Ahoana no ifandraisan'ny fitiavantsika an'Andriamanitra amin'ny fahafa-hana misafidy nomeny antsika? Izany hoe, afaka ny ho tia Azy marina tokoa ve isika raha toa tsy tena nanana fahalalahana? Azo terena ve ny tena fitiavana? Raha tsy izany, nahoana?
3. Inona avy ny fomba ahafahan'ireo mpitarika ny fiangonana ankehitriny mampita ny fanilo amin'ny taranaka manaraka?
4. Eritrereto ny fiainan'i Josoa sy ny fehinkevitra izay milaza fa nandritra ny fotoana rehetra niainan'i Josoa dia nanompo an'i Jehôvah ny Isiraelita. Inona ny fehinkevitra tianao hataon'ny olona momba ny fiainanao