Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fibebahana amin’ny andro fanavotana.

Daty
Alahady 28 December 2025

 "Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, ary ny fahefan'ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika, dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina. " Apôk. 12:10.

Mofon’aina:
Mitarika ny olony Andriamanitra hiala amin’ny zava-betaveta rehetra eto amin’izao tontolo izao, hahafahan’izy ireo mitandrina ny Didiny; noho izany dia tsy misy fetra ny haromotan’ilay “mpiampanga ny rahalahintsika". “Nidina ho any aminareo ny devoly izay manana fahatezerana lehibe satria fantany fa kely sisa ny androny” – Apôk. 12:12.

Eo alohantsika ny tany nampanantenaina tena izy. I Satana kosa dia vonona hanapotika ny vahoakan’Andriamanitra mba hanala azy eo amin’ny lovany. Izao no fampitandremana izay tena ilaina indrindra amin’izao ankehitriny izao: “miambena sy mivavaha hianareo mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy.” – Mat. 26:41. Miaina ao anatin’ny fotoana lehiben’ny andro fanavotana isika izao. (...)

Izay rehetra manana ny anarany voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana dia hahalala fa ao anatin’ny fotoan’andro fohy handanjana ny aminy, dia hampahory ny fanahiny eo anatrehan’Andriamanitra amin’alahelo noho ny ota ho fibebahana marina tokoa. Tsy maintsy misy fanadihadiana lalina atao amin’ny fo. Tsy maintsy esorina ny tsy firaihan’ny fanahy sy ny vosobosotra rehetra niainan’ny Kristianina. Hisy ady maty eo anoloan’izay miezaka handresy ny fironana ratsy ho amin’ny fifehezan-tena.

Asan’ny tsirairay ny fiomanana. Tsy vonjena faobe isika. Ny fahadiovana sy ny fanoloran-tenan’ny isam-batan’olona dia tsy afaka hisolo ny toetra tsara any amin’ny hafa. Handalo fitsarana eo anatrehan’Andriamanitra avokoa ny firenena rehetra ka Izy no hanadihady ny fiainan’ny tsirairay lalina indrindra. (...)

Ny fitsarana dia mizotra ankehitriny ao amin’ny fitoerana masina any ambony (...) Tsy ho ela, na dia tsy misy mahalala aza, dia anjaran’ny velona no handalo eo (...) Rehefa tapitra ny fitsarana famotopotorana, dia tapaka hatreo ny hoavin’ny olona rehetra na ho amin’ny fiainana na ho amin’ny fahafatesana. Ny fiala-nenina farany dia ho tapitra ao ana tin’ny fotoana fohy alohan’ny hisehoan’ny Tompo eo amin’ny rahon’ny lanitra. I Kristy ao amin’ny Apôkalipsy, mibanjina izany ora izany dia manao fanambarana: "Indro avy faingana Aho, ary eto amiko ny famaliako mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany.” – Apôk. 22:12. — GH, Aog. 1910.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal