Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ho an'izay mibebaka ny akanjom-pahamarinany

Daty
Talata 30 December 2025

"Koa ankehitriny ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon'i Jehôvah Andriamanitrareo; fa hanenenan 'i Jehôvah ny loza izay efa nolazainy hamelezana anareo." - Jer. 26:13.    

Mofon’aina:
Na dia eo ambany fanameIohan'ny lalàna aza isika amin'ny maha-mpanota antsika, dia mbola i Kristy, tamin'ny fankatoavany ny lalana no mitaky ny fahamendrehan'ny fahamarinany ho an'izay fanahy mibebaka. Mba hahazoana ny fahamarinan'i Kristy dia ilain'ny mpanota ny mahalala fa ny fibebahana dia asa hatrany ifotony hanova ny saina sy ny fanahy ary ny fihetsika r a ehetra. Ny asan'ny fanovana dia tsy maintsy manomboka avy any amin'ny fo (...) Fa ny maha-olombelona dia tsy afaka mamokatra fibebahana toy izany, na hanandrana izany irery raha tsy amin'ny alalan'i Kristy (...)

lza no maniry ho tonga amin'ny tena fibebahana marina? Inona no tsy maintsy hatao? Tsy maintsy manatona an'i Jesosy aloha, amin' izao maha-izy azy izao, tsy miandry fotoana hafa. (...) Rehefa voataonan'ny faniriana matotra hivavaka ny olona diatsy ho very maina izany. Ny Tompo dia hanatanteraka ny Teniny ka hanome ny Fanahy Masina hitari-le ho Amin ny fibebahana  amin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy Kristy Tompo. Hivavaka sy hiambina izy ireo, hahafoy ny otany, haneho amin-kery ny fahatokiany amin'ny ezaka hitandrina ny didin'Andriamanitra. (...) liana izay fahazarana sy endrika fikambanana hitondra azy hanalavitra an'Andriamanitra izy.

Ny mpanota rehetra te ho zanak' Andriamanitra dia tsy maintsy mandray ny fahamarinana momba ny fibebahana sy ny famelan-keloka izay tsy azo raha tsy amin'ny alalan'ny sorona nataon'i Kristy irery ihany. Rehefa azo antoka izany, dia tsy maintsy hisy ezaka hampifanaraka ny asa vita rehetra, ka amin'ny fitarainana tsy miato dia hiangavy ny seza fiandrianan'ny fahasoavana izy mba hahakasika ny fanahiny ny fanavaozan'ny herin' Andriamanitra.

Izay mibebaka ihany no omen'i Kristy famelan-keloka. (...) Izay tena sarobidy, fitafiana tsy misy pentina, notenomina tamin'ny fanenoman'ny lanitra no efa nomanina ho an'izay mpanota nefa mino sy mibebaka. Afaka hiteny ny tsirairay hoe: "Hifaly dia hifaly amin 'i Jehôvah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin 'Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firavany," - Isa. 61:10. — SIM, b. 1, 393, 394. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal