Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tombontsoa ambony omena antsika.

Daty
Alakamisy 01 January 2026

 "Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin 'ny famindrampo, noho ny halehiben 'ny fitiavany izay nitiavany antsika, na dia fony mbola matin 'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin 'i Kristy Jesôsy ." - Efes. 2:4-6. 
Mofon’aina :
Nanolotra ny tenany i Kristy ho fanavotana ny taranak'olombelona, mba hahazoan'izay rehetra mino Azy ny fiainana mandrakizay. Ireo izay mankasitraka izany sorona lehibe izany dia mandray avy amin'ny Mpamonjy ny fanomezana sarobidy indrindra: fo madio. Fanandramana sarobidy lavitra noho ny volamena sy ny volafotsy ary ny vatosoa no azony. Miara-mipetraka amin'i Kristy any an-danitra izy ireo ka mifaly amin'ny firaisana Aminy ao anatin'ny fifaliana sy fiadanana izay tsy misy afaka manome afa-tsy Izy irery ihany. Tia Azy amin'ny fony sy ny sainy ary ny fanahiny sy ny heriny rehetra izy ireo, noho ny fahatsapany ny tenany ho lova novidin'i Kristy tamin'ny rany. Tsy manjavozavo noho ny fomba fanao sy ny tanjona araka izao tontolo izao ny masom-panahiny, ary iray amin'i Kristy izy tahaka ny maha iray Azy amin'ny Ray.

Kristy "nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho muzoto indrindra amin'ny asa tsara" - Tit. 2:14. Fanatitra feno tokoa no nataony mba hahafahan'ny tsirairay manatratra ny fenitry ny fahatanterahana noho ny Fahasoavany. Ary toy izao no hosoratana ao amin'ny bokin'ny fiainana momba ireo izay mandray ny Fahasoavany sy manaraka ny ohatra nasehony: "Tanteraka ao Aminy, tsy misy pentimpentina na loto".

"Isaorana anie Andriamanitra Rain 'i Jesôsy Kristy Tompontsika Izay nitahy antsika tao amin 'i Kristy amin' ny .fitahiam-panahy rehetra any an-danitra." - Efes. 1:3. Inona no tokony mbola hangatahintsika, izay tsy ao anatin' izany fanomezana be dia be sy feno famindrampo izany? Amin'ny alalan'ny fahamendrehan'i Kristy no itahiana antsika amin'ny fitahiana ara-panahin'ny lanitra rehetra ao amin'i Kristy. Tombontsoa lehibe ho antsika ny manakaiky an'Andriamanitra, mba hiaina ny Fanatrehany. (...) Tsy misy zavatra hafa mitondra fiadanana sy fahafahana ary herim-po sy tanjaka ho antsika afa-tsy ny mitoetra eo amin'ny fanatrehan'i Kristy. — RH, 30 Mey 1907.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal