Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fitiavany, fanomezana atolotra antsika

Daty
Alatsinainy 05 January 2026

 "Fa toy izao no nitiavan 'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." - Jao. 3:16.

Mofon’aina:
Ahoana no hahatakarantsika ny momba an'Andriamanitra? Ary ahoana no hahalalan-tsika ny Ray? Anarana feno fitiavana no asaina iantsoantsika Azy: Ray. Ahoana anefa no hahalalantsika Azy sy ny herin'ny fitiavany? Amin' ny alalan' ny fandinihana amim-pahazotoana ny Soratra Masina. Tsy hahay hitia an' Andriamanitra isikarahatsy mandray ao am-pontsika ny drafitra lehiben'ny fanavotana. Irintsika ny hahafantatra ny zava-drehetra momba ireo olan'ny fanahy sy ny fanavotana ilay taranaka lavo. Mahatalanjona tokoa fa rehefa avy nandika ny lalàn'Andriamanitra ny olona ary tafasaraka Taminy (...) dia nisy planina natao mba tsy hahavery ny olombelona fa mba hahafahany kosa mahazo ny fiainana mandrakizay. (...) Nomen'Andriamanitra ny Zanany Lahitokana mba ho faty ho antsika. (...)

Teto amin' ity tontolo bitika toy ny atoma ity no nanehoana ny toe-javatra lehibe indrindra mety ho fantatry ny zanak'olombelona. Ny tontolon'ny lanitra manontolo no nijery tamim-pahalianana fatratra. Nahoana? Satria teto no nisehoan' ilay ady lehibe teo amin'ny herin'ny maizina sy ilay Andrian'ny mazava. Ny asan'i Satana dia ny hanandratra hatrany ny heriny (...) Sary diso mandrakariva no nasehony momba an'Andriamanitra. Nasehony ho toy ny Andriamanitra manao ny tsy rariny Izy fa tsy Andriamanitry ny famindrampo. (...)

 Ahoana àry no hampahafantarana an'Andriamanitra araka izay tena toetrany tokoa amin' izao tontolo izao? Ahoana no hanehoana fa Izy dia Andriamanitra fitiavana, be indrafo, ary malemy fanahy sy miantra? Fomba ahoana no hahalalan'izao tontolo izao izany? Naniraka ny Zanany Andriamanitra, Izy no nasaina nampiseho ny toetran'Andriamanitra taininsizao tontolo izao. (...) 
Aoka ho eo anoloantsika mandrakariva io Ohatra tonga lafatra io! (...) Aoka ho toy izao ny fivavakao: "Andriamanitra o! Ampahafantaro ny momba Anao aho, ka noho ny fahasoavanao tsy manam-paharoa no hihazonako ilay kofehy volarnena, dia i Kristy, izay nidina avy tany an-danitra ho ety an-tany, mba hamikirako Aminy ka hanintonany ahy hiakatra." – Ms 7, 1888. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal