Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Kristy, Ilay maneho an'Andriamanitra

Daty
Alatsinainy 12 January 2026

 "Fa ny Ray dia tia anareo satria hianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin'ny Ray Aho." Jao. 16:27.

Mofon’aina:
Raikitahotra isika eo am-pi banj inana ny fahamasinana sy ny voninahitr'Ilay Andriamanitr'izao rehetra izao, satria fantatsika fa noho ny fitiavany ny rariny dia tsy hanamarina ny meloka Izy. Saingy tsy ilaintsika ny hitoetra ao anatin'ny tahotra, satria efa tonga teto an-tany i Kristy mba haneho ny tena toetran'Andriamanitra sy hanazava amintsika ny fitiavan'ny Ray an'ireo izay efa natsangany ho zanaka. Tsy ny zava-mahatalanjona eo amin'ny natiora ihany no tokony hanombanantsika ny toetran'Andriamanitra, fa ny fiainany tsotra sy feno fitiavana izay niainan'i Jesosy koa, izay naneho an'i Jehovah ho mpamindra fo sy mangoraka ary malemy fanahy mihoatra noho ireo ray aman-dreny niteraka antsika.

Nasehon'i Jesosy fa Andriamanitra irery ihany no mendrika itokiantsika sy itondrana ny faniriantsika. Rehefa raiki-tahotra isika manoloana an' Andriamanitra ka manafotra ny fisainantsika ny voninahiny sy ny fiandrianany, dia i Jesosy izay Solontenany no asainy jerentsika. (...) Ny hazo fijalian'i Kalvary no maneho amin'ny olona ny fitiavan'Andriamanitra. Asehon' i Kristy amin'ny maha Andriamanitra fitiavana Azy ilay Mpanjakan'izao rehetra izao. Tamin'ny alalan'ny mpaminany no nitenenany hoe: "Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao." - Jer. 31:3.

 Amin'ny alalan'ny fahamendrehan' ny anaran'i Kristy no ahafahantsika manatona an'Andriamanitra, ary asainy isika hitondra eo Aminy ireo fizahan-toetra sy fakam-panahy mianjady amintsika, satria takany ireny rehetra ireny. Tsy sitrany raha amin'ny sofin'olombelona no hamborahantsika ny fahoriantsika. Amin'ny alalan'ny ran' i Kristy no ahafahantsika manatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana (...) amin'ny fotoana tnahory. (...)

Toy ny fandrisihan'ny ray aman-dreny eto an-tany nyzanany hanatonaazy amin'ny fotoana rehetra no itaoman'ny Ray antsika koa hitondra eo Aminy ny faniriana sy ny zava-manahirana antsika, ary ny fankasitrahana sy ny fitiavantsika. Azo antoka avokoa ny teny fikasana tsirairay avy. I Jesosy no antoka sy Mpanelanelana antsika, ary efa nomeny antsika ny loharanom-pahalalana rehetra ilaina mba hananana toetra tanteraka. — YI, 22 Septambra 1892. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal