Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fahasoavana manova fiainana

Daty
Alakamisy 15 January 2026

 "Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: tsy maintsy hateraka indray hianareo." Jao. 3:7 

Mofon’aina:
Ao amin'ny teny nataon'i Kristy tamin'i Nikodemosy no misy ny fahamarinana lehibe mikasika ny fiovam-po avy amin'ny Fanahy Masina: "Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan 'Andriarnanitra. (...) Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy." - Jao. 3:3,6.— RH, 7 Jolay 1904.

Amin'ny fanavaozana ny fo no iasan' ny fahasoavan' Andriamanitra mba hanova ny fiainana. Tsy misy fiovana ivelany ampy hampifandrindra ny fiainantsika amin'Andriamanitra. Maro ireo miezaka manao fanavaozana amin'ny alalan'ny fanitsiana ny fahazaran-dratsy anankiray na ny iray hafa, ary antenainy amin'izany fa ho tonga Kristianina izy. Fanombohana diso anefa izany. Ao am-po no tokony hisian'ny fanavaozana voalohany indrindra. ( ...)

Miasa ao amin'ny mangingina sy amim-paharetana ny masirasiran'ny fahamarinana, mba hanova ny fo. Manjary malefaka sy milefitra ireo fironana maha olona. Fisainana vaovao, fihetsehampo vaovao, antony manosika vaovao no volena. Ny fiainan'i Kristy no fenitra ara-pitondrantena vaovao arahina. Miova ny fisainana, ary ampiasaina ho amin'ny tanjona vaovao ny fahaiza-manao. (...)

Ny Soratra Masina no hery lehibe ivon'io fanovan-toetra io. Hoy i Kristy raha nivavaka: "Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana." - Jao. 17:17. Rehefa halalinina sy ankatoavina ny Tenin'Andriamanitra dia miasa ao amin'ny fo, ary mandresy ny toetra tsy masina rehetra. Mandresy lahatra antsika amin'ny fampahafantarana ny fahotantsika ny Fanahy Masina, ary ny finoana izay teraka ao am-po dia miasa noho ny fitiavana an'i Kristy ka mampifandrindra ny momba antsika - ny tena sy ny fo ary ny fanahy - hifanaraka amin'ny Sitrapony.

Rehefa izay dia ho hitan'ny olona fa tandindomin-doza izy. Hitany fa ilainy ny hiova toetra sy hiova fo. (...) Miasa ao am-pony ny Fanahin'Andriamanitra, ary amin'ny tahotra sy hovitra no hiasany ka hikatsahany ny hahalala ireo kileman-toetrany sy izay azony atao mba hisian'ny fiovana ilaina eo amin'ny fiainany. (...) Hiaiky ny fahotany amin'Andriamanitra izy, ary raha toa izy nandratra ny hafa, dia hiaiky ny helony amin'izany olona izany. (...)- RH, 7 Jolay 1904. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal