Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Olom-baovao

Daty
Alahady 18 January 2026

 "Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko." Sal. 51:10.

Mofon’aina:
Aoka ianao hangataka amin' Andriamanitra amin-dranomaso hoe: havaozy ny fanahiko ato anatiko. Angataho amin'Andriamanitra ilay herin'ny fahasoavany mahay manova. Mifikira mafy amin'ny Mpamonjinao tahaka izay nataon'i Jakoba, mandra-pahatonga an'Andriamanitra hampaha-fantatra anao mazava ny momba anao sy ny momba Azy ka hahazo tanjaka sy fanohanana ao amin'i Jesosy ianao, fahazavana sy hery izay tsy mbola hitanao na tsapanao hatrizay. Tandindomin-doza lehibe ny famonjena ny fanahinao, ka mitalaho aminao aho ankehitriny, aza mamitaka ny fanahinao. Handresy ianao raha mifikitra amim-paharetana amin'ny teny fikasana ny finoanao. (...)

Tsy misy fahefan'ny tany na an'ny helo haharava ny fiadananao na hanapaka ny firaisanao amin'Andriamanitra raha mijoro amin' izay niantsoana anao ianao. Tokony handeha tsy amin'ahiahy ianao raha toa matahotra an'Andriamanitra. Raha manao izay ankasitrahany ianao dia ho azonao izay rehetra irin'ny fanahinao. Izao no teny ataon'ny Kristianina iray mahatoky: "Tsy misy na inona na inona atahorako eto amin' izao rehetra izao afa-tsy ny tsy hahafantarako ny adidy tokoriy hataoko na koa ny tsy hahatanterahako izany." (...)

Mijoroa ho an'i Jesosy, na dia mitaky fahafoizan-tena sy fandavan-tena aza izany. Mijoroa ho Azy, any amin'ny toerana rehetra. Miasà toy ny hoe manatrika eo Andriamanitra ka mifantoka tanteraka aminao ny masony ary mahita izay atao rehetra. Efa novidiny tamin'ny rany ianao, ka amin'ny fotoana ilanao ny Fanampiany, antsoy Izy dia ho azonao izany. (...)

Aoka ny fiainanao izay fohy sy tsy azo antoka ho fiomanana mitohy ho amin'ny fiainana ho avy tsy misy fahafatesana. Avela ho tonga amintsika ny fakam-panahy mba hahalalana ny tena toetrantsika sy hanitsiana ny kilemantsika. Misy hatrany ny fitaomana hanota tsy miharihary izay mikendry ny hamitaka sy handrenoka ny fanahy mba hahavery azy. Hiseho ho toy ny anjelin'ny mazava i Satana, hevitra kotrehiny mandrakariva ny handroba ny voninahitr'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fanimbany fanahy maro. Miangavy anao aho, ho famonjena ny fanahinao, manohera ny devoly, dia handositra anao izy. Aoka ny fanahinao tsy manan-kery hiantehitra amin'Andriamanitra. - L 42, 1879. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal