lsika rehetra, indrindra fa isika mpino, dia mandray anjara ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy, izay miseho manodidina antsika, ary mitranga ao anatintsika koa aza. Samy mahatsapa ny fisian'io ady mahafaoka izao rehetra izao io isika rehetra, na amin'ny fomba ahoana na ahoana, ary ho toy izany mandra-pahafatintsika, na rahoviana na rahoviana, ary na amin'ny endriny manao ahoana na ahoana no isehoan'izany.
Vakio ny 2 Ker. 10:3-6. Inona no fototry ny ady ara-panahy atrehintsika, ary Inona avy ny fitaovam-piadiana ananantsika?
Ny hevitra, na tsara na ratsy, no fitaovam-piadiana ara-panahy mahafaty indrindra. Mampiasa fanakianana, famadihana, fanalam-baraka, tahotra, faneren'ny namana, ary fitaovana marobe mitovy amin'izany i Satana izaytsy tokony hampiasain'ny Kristianina mihitsy. Ny fitiavana, ny famindram-po, ny fiadanana, ny fahalemem-panahy, ny fahari-po, ny hatsaram-panahy, ary ny fahononam-po kosa no tokony hampiasaintsika. Ny fitaovam-piadiana mahery indrindra ananantsika, raha ampiasaina amim-pahendrena, dia "ny Tenin'Andriamanitra", izay sabatra ampiasain'ny Fanahy (Efes. 6:17), satriaAndriamanitra irery ihany no afaka mampiditra ny fahamarinana ao am-pon'ny olona. Fitaovana fotsiny isika, izay ampiasain'Andriamanitra hahatontosa ny fikasany.
Vakio ny Fit. 1:21,22. Ahoana no ahafahantsika mahatakatra ny tian'i Paoly ambara, indrindra ao anatin'ny tontolon-kevitr'ilay fifanandrinana lehibe?
Satria ara-panahy ny ady, dia ady amin'ny lafiny ara-kevitra sy soatoavina no atrehintsika. Kanefa efa azon'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana ho antsika ny fandresena, ary raha mbola mifandray Aminy koa isika, dia tsy ho resy mihitsy, na dia vonoina ho faty aza. Tsy nitandro ny ainy i Paoly tamin'izay rehetra nanjo azy teto an-tany, na dia tsy ara-drariny aza, satria nankininy tamin'ny Fitsarana ambony kokoa ny ainy sy ny hoaviny.
Amin'ny maha-Kristianina antsika dia tsy tokony hiady loatra ho an'ny zontsika isika, fa ho an'izay marina. Tsy "ny fahefana no ampanjakana ny fahamarinana" fa "ny fahamarinana no manana ny fahefana". Mendrika homem-boninahitra ny fileferana amin'ny sitrapon'Andriamanitra; raha ny marina dia izany ihany no fomba hahazoantsika ny fandresena amin'ny ady atrehintsika. I Jesôsy , mazava loatra, no ohatra tonga Iafatra amin'ny fileferana amin'ny sitrapon'Andriamanitra, araka ny hazavain'i Paoly ao amin'ny Fil. 2.
Amin'ny fomba ahoana no ahatsapanao ny maha zava-misy ilay fifanandrinana lehibe amin'izao fotoana izao? Ahoana no handraisanao fampiononana sy hery avy amin'ny fahafantarana fa efa azon'i Kristy ho antsika ny fandresena?