"Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay." — 2 Pet. 1:10.
Mofon’aina:
Izany no hany fifidianana resahin' ny Baiboly. Na dia tafalatsaka Jit tao anatin'ny fahotana aza isika, dia afaka ny ho mpiray amin'ny fom ban' Andriamanitra sy hahazo fahalalana ambony lavitra noho ny siansa rehetra. Amin'ny fandraisana ny nofo sy ran'ilay Tompontsika izay nohomboana tamin'ny hazo fijaliana no hahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Hoy i Jesosy: "Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay." — Jao. 6:54.
Tsy misy olona tokony hamoy ny fiainana mandrakizay. lzay rehetra mifidy isan'andro ny hianatra amin' I lay Mpampianatra avy any an-danitra dia hanao ny fiantsoana sy ny fifidianana azy ho azo antoka. Andeha isika hanetry tena eo anatrehan'Andriamanitra, ary hanao izay hahalalana Azy, fa ny fahafantarana Azy marina no fiainana mandrakizay.
"Mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany ianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay; fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an 'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika." — 2 Pet. 1:10,11.
Ireo no taratasy fiantohana ho an'ny fiainanao ara-panahy. Tsy fiantohana izay hositrahin'ny hafa aorian'ny fahafatesanao anefa fa antoka iray hanananao fiainana mifamatra amin'ny an'Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay izany. Toky sy fanantenana lehibe manao ahoana re izany! Andeha isika hanambara amin'izao tontolo izao fa fonenana tsara kokoa no katsahintsika, fonenana any an-danitra. Natao ho antsika ny lanitra ary irintsika ny hanana anjara amin'izany. Tsy misy na inona na inona tokony havelantsika hampisaraka antsika amin'Andriamanitra sy ny lanitra. (...) Ry anadahy sy rahavavy, fiainana iray monja no anananao, aoka izany hanaovana ny tsara sy ho fiainana miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra!
Aoka isika hifanampy amin'ny fanatrarana ny fahatanterahan-toetra ka hampitsahatra ny fifanakianana rehetra. Handroso hatrany isika mba ho tonga amin'ny fahatanterahana, mandra-pahatonga ny fotoana hanomezana malalaka ho antsika ny fidirana ho any amin'ny fanjakan'ny lanitra. - RH, 26 Mey 1904.