Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 31 January 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Fil. 3:1-16; Rôm. 2:25-29; Jao. 9:1-39; Efes. 1:4,10; 1 Kôr. 9:24-27. 

Tsianjery : "Eny, mba ho fantatro lzy sy ny herin'ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiombonana amin'ny fijaliany ka hampitovina amin'ny endriky ny fahafatesany, raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin'ny maty." -Fil. 3:10,11.

Mbola misy fisalasalana mitoetra ao anatintsika mikasika ny famonjena amin'ny alalan'ny finoana irery ihany, izay tsy miankina amin'ny asan'ny lalana. Izany hoe, noho ny antony vitsivitsy, dia manana fironana hiantehitra amin'ny asantsika isika, toy ny hoe hahazoam-pamonjena izany. Manaitra ny fomba iresahan'i Paoly mikasika izany teboka iray izany ao anatin'ny tohan-kevitra mafonja manohitra ireo izay miziriziry amin'ny fiheverana fa ilaina ho amin'ny famonjena ny famorana.

Mba hisorohana ny fiheveran'ny olona sasany fa mitondra famonjena ny asa, toy ny famorana, dia ambaran'i Paoly mazava tsara fa ny fahamarinana dia fanomezana atolotr'i Kristy izay raisina avy amin'ny finoana fa tsy avy amin'ny lalana. Mety tsy miteraka adihevitra na olona amin'izao androntsika izao ny famorana, nefa azo antoka fa mbola manan-kery ny foto-kevitra raketiny.

Izany lohahevitra izany rahateo aza no niandohan'ny Fanavaozana protestanta: ny anjara asan'ny finoana sy ny asa ao anatin'ny fanandraman'ny Kristianina anankiray. Fehiny, i Kristy no zava-drehetra ho antsika, Ilay "Tompon'ny finoantsika sy Mpanefa azy" - Heb. 12:2. Raha eo amin'ny toerana tokony hisy azy no ametrahana ny laharam-pahamehantsika, dia hiaina ao anatin'ny fahazoana antoka ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra isika ary hifaly sahady amin'ny teny fikasana momba ny famonjena ka "tsy mitoky amin'ny nofo" (Fil. 3:3).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -
Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal