Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.

Daty
Alatsinainy 02 February 2026

Fanandramana iraisan'ny Kristianina vao niova fo ny fisaintsainana momba ny fiainany taloha sy taorian'ny nandraisany an'i Jesôsy , tahaka izay ataon'i Paoly ao amin'ny Fil. 3. Misy fotoana iresahantsika momba ireo tsy Kristianina ka iantsoantsika azy ireo hoe "olona tsara"; maro anninizy ireny tokoa no tahaka izany raha araka ny fenitr'izao tontolo izao farafahakeliny. Kanefa, rehefa tsaraina amin'ny fenitr'Andriamanitra, dia tsy misy "tsara" na dia iray aza, eny fa na ny Kristianina aza.

Ambaran'i Paoly ao amin'ny Fil. 3:4-6 ny zavatra maro teo amin'ny fiainany izay nampirehareha azy fahiny. Inona avy izany? Inona no holazainao fa "tsara" eo amin'ny fiainanao (taloha sy ankehitriny)?

Asehon'i Paoly ankolaka eto ny fahasamihafana eo amin'ireo mpino Jiosy izay mampiely fampianarana sandoka sy ireo mpino tsy voafora izay rniantehitra tanteraka amin'i Kristy mba hahazoany famonjena ary koa tsy mitoky amin'ny asan'olombelona tahaka ny famorana (jereo ny Heb. 6:1; Heb. 9:14; ampitahao amin'ny Rom. 2:25-29). Na dia nahatonga an'i Paoly ho mendri-panajana teo anatrehan'ireo Jiosy namany aza ny fiainany tamin'ny lasa sy ny tetiarany, dia tsy misy miantoka ny famonjena azy izany na iray aza. Raha ny marina aza dia nanakana ny famonjena azy ny nanajamban'ireny zavatra ireny azy fahiny ka tsy nahatsapany ny filany anlj Kristy.

Tsy hoe voafora fotsiny i Paoly fa teraka Isiraelita ary anisan'ny vahoakan'ny fanekena, izany hoe noforana tamin'ny andro fahavalo taorian'ny nahaterahany. Ankoatra izany, dia avy amin'ny fokon'i Benjamina izy, foko izay nanana faritany nahitana ireo tanana nanana ny maha-izy azy indrindra teo amin'ny Isiraely. Tsy hoe nahay teny Hebreo fotsiny i Paoly fa mpianatr'i Gamaliela Loholona koa (Asa. 22:3; Asa. 26:4,5); ary amin'ny maha Fariseo azy dia nanam-pahalalana be mikasika ny lalana sy izay tokony hampiharana izany izy, farafahakeliny araka ny fomban-drazana.

Nafana fo tamin'ny fandalana ny lalana tokoa i Paoly ka nanenjika ny fiangonana noho ny fahitany izany ho loza mitatao ho an'ny fomba fiaina jiosy; noheveriny fa izany no nobaikoin'ny lalana hataony. Mahavariana tokoa, fa na dia "tsy nanan-tsiny" aza izy raha ny "fahamarinana" araka ny fihevitr'olombelona, dia takany fa zava-dalina kokoa ny lalana ary be fitakiana tokoa mihoatra noho izay noheveriny, ary raha tsy noho ny amin'i Kristy dia meloka izy eo anatrehan'ny lalana.

Ampitahao amin'ny Mat. 5:21,22,27,28 ny Rôm. 7:7-12. Inona no hevi-dehibe ambaran'i Jesôsy sy i Paoly mikasika ny lalana? Nahoana ny "finoana an'i Kristy" (Fil. 3:9), fa tsy ny lalana, no hany loharanon'ny fahamarinana? Jereo araka izao hevitra izao izany: mitandrina tsara ny lalana ye ianao, farafahakeliny araka izay nolazain'i Jesôsy fa tokony hitandremanao izany? 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.
Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal