Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fiadanana omena antsika

Daty
Alakamisy 29 January 2026

 "Ary ny fiadanan 'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy." — Fil. 4:7.

Mofon’aina:
Nanimba ny fiadanantsika ny fahotana. Tsy afaka ny hahita fitsaharana isika raha tsy efa milefitra ny "izaho". Tsy misy herin'olombelona mahay mifehy ny firehetam-pony. Toy ireo mpianatra tsy nahavita na inona na inona nanoloana ny tafio-drivotra mafy isika. Kanefa Ilay nampitony ny onjan'i Galilia tamin'ny teniny no manonona tenim-piadanana ho an'ny fanahy tsirairay. Na toy ny ahoana aza ny hamafin'ny tafiotra, dia hahazo famonjena ireo izay mitodika amin'i Jesosy ka miantso hoe "Vonjeo izahay Tompo o!" Ny fahasoavany, izay mampihavana ny fanahy amin'Andriamanitra, no nampitony ny fihetsehampo sy ny faniriana mirehitra ao am-pon'olombelona ka hitsahatra ao amin'ny Fitiavany ny fo. (...)

Na iza na iza manaiky hamoy ny fahotana ka hanokatra ny fony handray ny fitiavan'i Kristy dia ho mpiombona amin'izany fiadanan'ny lanitra izany. Tsy misy mety hahazoam-piadanana ankoatra izany. Ny fahasoavan' i Kristy, raha raisina ao am-po, dia handresy ny fankahalana; hampitsahatra ny fifandirana izany ary hameno fitiavana ny fo. Tsy ho azom-pahoriana izay mihavana amin'Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy. Tsy honina ao anatiny ny fitsiriritana, tsy hanana toerana ao ny fileferana amin'ny faharatsiana ary tsy ho hita ao ny fankahalana. (...) Ho toy ny ando ho an'ny fo ketraka sy mavesatra vokatry ny ady eto amin'izao tontolo izao ny fanahin'ny fiadanana. 

 Nirahina ho amin'izao tontolo izao hitondra ny hafatry ny fiadanana ireo mpanara-dia an'i Kristy. Na iza na iza hanambara ny fitiavan' i Kristy, amin'ny alalan'ny hery miasa manginan'ny fiainana feno fahamasinana izay miseho ho azy ety ivelany, ary na iza na iza hitaona ny hafa hiala amin'ny fahotana sy hanolotra ny fony ho an'Andriamanitra, na amin'ny teny na amin'ny asa, dia mpampihavana izy.

(...) Hanodidina azy ireo ny hanitr'i Kristy. Ny hanitry ny fiainana sy ny hatsaran'ny toetra amam-panahy, dia samy maneho amin'izao tontolo izao fa zanak'Andriamanitra izy. Ary ho fantatry ny olona amin'izany fa miaraka am;n'i Jesosy izy ireo. - RH, 15 Oktôbra 1908.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal