"Hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? Dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin'ny voalohany, ary nohamafin 'izay nandre tamintsika ko.sa." — Heb. 2:3.
Mofon’aina:
Tsy misy fanomezana lehibe indrindra ho an'ny olombelona noho izay hita ao amin'i Kristy. (...) Mitarika amin'ny faharavan'ny fanahy mandrakizay ny tsirambinia amin'ny tsy famikirana ny haren-tsarobidin'ny famonjena. (...) Efa nanao izay azo natao rehetra Andriamanitra. Naompana ho amin'ny famolavolana sy ny fanatanterahana ny drafi-panavotana ho an'ny olombelona ireo loharanom-pitiavana tsy manam-petra. Efa nasehon' Andriamanitra ny toetrany, ao amin'ny fahatsarana sy ny famindrampo ary ao amin'ny fangorahana sy ny fitiavana naharihary, ho famonjena ny taranaka mpikomy sy meloka. Inona indray moa no mbola azo atao ka tsy natao mba hahatanteraka ny planin'ny famonjena? Raha toa ny mpanota mbola tsy miraika manoloana ny fanehoan'Andriamanitra ny faha-tsarany, raha ataony tsinontsinona ny famonjena lehibe tahaka izany, (...) inona indray no azo atao mba hanohina ny fo vatony? RH, 21 Nôvambra 1912.
Zava-dehibe sy manan-danja manao ahoana no raketin'ny lohahevitra momba ny fanavotana, satria Ilay nanaiky hamonjy ny olona dia famirapiratan'ny voninahitry ny Ray, ary fanehoana ny maha IzyAzy! Ahoana àry no fijerin'ny lanitra ireo izay tsy miraika manoloana ny famonjen-dehibe natao ho an'ny olona tamin'ny vidiny tsy manam-petra tahaka izany? Ny tsy firaihana manoloana ny fitahian-dehibe avy any an-danitra dia midika ho fandavana Ilay mitovy amin'ny Ray, dia Ilay tokana izay afaka mamonjy ny olombelona lavo. Moa ve isika hanao tsinontsinona an'i Kristy ka hamoy ny fiainana mandrakizay?
Fitiavana mahatalanjona manao ahoana re no nasehon'llay Zanak' Andriamanitra! Ny fahafatesana tokony hihatra amintsika no nihatra taminy, mba hanomezana antsika ny tsy fahafatesana, isika izay tsy mendrika izany valisoa izany akory. Moa ve ny famonjena tsy lehibe tokoa noho ny fahatsorany ary mahatalanjona noho izy mahafaoka ny maha-olona manontolo? (...) Rehefa misaintsaina ny fanomezana tanteraka natolotr'Andriamanitra ho famonjena ny zanakalahy sy zanakavavin' i Adama isika, dia voataona hiara-miaiky amin'i Jaona hoe: "Endrey! Manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak Andriamanitra (...)" -1 Jao. 3:1. (...)- RH, 28 Nôvambra 1912.