Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Tsirambina mampidi-doza

Daty
Sabotsy 31 January 2026

"Hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? Dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin'ny voalohany, ary nohamafin 'izay nandre tamintsika ko.sa." — Heb. 2:3.

Mofon’aina:

Tsy misy fanomezana lehibe indrindra ho an'ny   olombelona noho izay hita ao amin'i Kristy. (...) Mitarika amin'ny faharavan'ny fanahy mandrakizay ny tsirambinia amin'ny tsy famikirana ny haren-tsarobidin'ny famonjena. (...) Efa nanao izay azo natao rehetra Andriamanitra. Naompana ho amin'ny famolavolana sy ny fanatanterahana ny drafi-panavotana ho an'ny olombelona ireo loharanom-pitiavana tsy manam-petra. Efa nasehon' Andriamanitra ny toetrany, ao amin'ny fahatsarana sy ny famindrampo ary ao amin'ny fangorahana sy ny fitiavana naharihary, ho famonjena ny taranaka mpikomy sy meloka. Inona indray moa no mbola azo atao ka tsy natao mba hahatanteraka ny planin'ny famonjena? Raha toa ny mpanota mbola tsy miraika manoloana ny fanehoan'Andriamanitra ny faha-tsarany, raha ataony tsinontsinona ny famonjena lehibe tahaka izany, (...) inona indray no azo atao mba hanohina ny fo vatony? RH, 21 Nôvambra 1912.

Zava-dehibe sy manan-danja manao ahoana no raketin'ny lohahevitra momba ny fanavotana, satria Ilay nanaiky hamonjy ny olona dia famirapiratan'ny voninahitry ny Ray, ary fanehoana ny maha IzyAzy! Ahoana àry no fijerin'ny lanitra ireo izay tsy miraika manoloana ny famonjen-dehibe natao ho an'ny olona tamin'ny vidiny tsy manam-petra tahaka izany? Ny tsy firaihana manoloana ny fitahian-dehibe avy any an-danitra dia midika ho fandavana Ilay mitovy amin'ny Ray, dia Ilay tokana izay afaka mamonjy ny olombelona lavo. Moa ve isika hanao tsinontsinona an'i Kristy ka hamoy ny fiainana mandrakizay?

 Fitiavana mahatalanjona manao ahoana re no nasehon'llay Zanak' Andriamanitra! Ny fahafatesana tokony hihatra amintsika no nihatra taminy, mba hanomezana antsika ny tsy fahafatesana, isika izay tsy mendrika izany valisoa izany akory. Moa ve ny famonjena tsy lehibe tokoa noho ny fahatsorany ary mahatalanjona noho izy mahafaoka ny maha-olona manontolo? (...) Rehefa misaintsaina ny fanomezana tanteraka natolotr'Andriamanitra ho famonjena ny zanakalahy sy zanakavavin' i Adama isika, dia voataona hiara-miaiky amin'i Jaona hoe: "Endrey! Manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak Andriamanitra (...)" -1 Jao. 3:1. (...)- RH, 28 Nôvambra 1912.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal