Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Kristy, ohatry ny lalàn'Andriamanitra

Daty
Alahady 01 February 2026

 "Dia hoy izaho: inty aho tonga - ao amin'ny horonam-boky no nanoratana ahy, ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko." — Sal. 40:7,8.

Mofon’aina:
Efa voatendry tao amin'ny filan-kevitry ny lanitra fa tsy maintsy omena ohatra velona ny amin'ny fitandremana ny lalàna ny olombelona. Rehefa nanapa-kevitra ny hanao izany sorona lehibe izany Andriamanitra, dia tsy navelany hanjavozavo na tsy hazava izay mahakasika ny famonjena ny taranak'olombelona. Nomena fenitra ny olona mba hotahafiny. Tamin'ny feo re mazava sy fahamboniana lehibe no nanononany ny Lalàny avy teo an-tendrombohitra Sinay. Nolazainy mazava izay tokony hataontsika mba hanehoana ny fanoavana izay ankasitrahana eo anatrehany ary koa mba hitoerantsika ho mahatoky amin'ny Didiny. "Tiava an 'i Jehovah Andriamanitrao amin 'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra sy ny fanahinao rehetra. Izany no didy lehibe sady voalohany. Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalàna rehetra sy ny mpaminany." - Mat. 22:37-40. 

Lalina loatra ny fitiavan' Andriamanitra ny zavaboariny, ka "nomeny ny Zanany lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." — Jao. 3:16. Tonga i Kristy mba hanome herin-tsaina ho an'ny olona sy hanandratra azy, mba hahatongavany ho mpiombona amin'ny fomban' Andriamanitra ka ho afaka amin'ny fahalotoana eto amin'izao tontolo izao izy. Noporofoiny tamin'ny tontolo tsy lavo sy tamin'ny olombelona fa azo atao ny mitandrina ny lalàna. Na dia nitafy ny maha olombelona aza Izy dia nankatô ny lalàn'Andriamanitra; nasehony tamin'izany fa marina Andriamanitra amin'ny fitakiany ny fankatoavana ny lalàna. (...) 

Izay rehetra manana fahafaha-misaina dia afaka hamantatra ny halehiben'ny adidiny. I Kristy no modely ho antsika. Niaina fiainana tsy misy pentina Izy tamin'ny maha olombelona Azy. Namindra fo sy niantra ary nankatô Izy, ary feno fahatsarana sy fahamarinana. Tamin'ny fiainam-pankatoavany no nanehoany marina tokoa ny toetry ny lalàna. Amin'ny firaisana amin'i Kristy no hahafahan'ny olombelona mpanota sy lavo mampifanaraka ny fiainany amin'ny fitsipiky ny lanitra. (...) - Ms 48, 1893. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal