Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fietrena mahatalanjona!

Daty
Talata 03 February 2026

 "Fa fantatrareo ny fahasoavanˋi Jesôsy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony." — 2 Kôr. 8:9.

Mofon’aina:
Nitsidika ny lapan' ireo mpanjaka tany Frantsa izahay, fony mbola notapahin'ny mpanjaka io firenena io. (...) Nitopy tany amin'ireo mpanjaka izay namakivaky ireo efitra lehibe ireo ary manana ny sariny mipetraka eo amin'ny rindrina ny saiko. Aiza izao ny voninahitra (...) nananan' izy ireo? (...)

Rehefa izay, dia tsaroanay ny momba an' i Jesosy, izay tonga teto an-tany tamin'ny fikasany feno fitiavana, nanaisotra ny akanjom-piandrianany sy ny satroboninahiny, (...) nitahy ny maha olombelona, ary tonga teto an-tany mba ho "Lehilahy ory sadv zatra fahoriana". Teny anivon'ny mahantra Izy, nitahy ireo azom-pahoriana, nanasitrana ny marary, nampitony ny fanaintainana nentina nandritra ny taona maro, nikasika tamin'ny fangorahan'ny lanitra ny olombelona ory sy fadiranovana indrindra. Eny fa na ny alahelo sy ny zava-nanahirana ny ankizy aza dia hitany. (...) 

Nirahina ho mpitondra hafa-pamindrampo ho an' ireo ory sy mijaly ny anjely. Ireo anjely avy any amin'ny fanjakan' ny mazava ireo (...) no nalefa hamita iraka mitory fitiavana sy fiahiana ary famindrampo amin'ny olombelona mijaly. Kanefe misy sary mampiseho fietrena lehibe kokoa noho izany: ny Tompo, Zanak'ilay Ray tsy manam-petra (...) ilay Mpanjakan'ny mpanjakan'ny tany (...)

Inona no asan'ny anjely raha oharina amin'ny fanetren-tenan'i Kristy? Hatrizay hatrizay ny seza fiandrianany. Izy no nanorina ny tsato-kazo sy ny andry rehetra ao amin'ny tempoly lehiben'ny natiora. lzy Ilay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao, Ilay mahisa ny kintana, Ilay nahary izao rehetra izao ka ity tany ity dia toy ny poti-javatra kely monja ao anatin'izany ary tsy ho tsikaritra akory raha tsy eo, tahaka ny ravina kely nihintsana avy amin'ireo hazo ao an'ala. Ny firenena rehetra eo anatrehany dia tahaka ny "rano indray mitete avy amin'ny siny" sy "vovoka madinika amin'ny mizana." – Isa. 40:15. 

Saintsaino ny amin'Ilay Tompo, Mpanavotra be voninahitra, mponina any amin'ny tontolo izay noforoniny, kanefa nolavin'ireo izay tiany hovon-jena sy hotahina. (...) Fietrena lehibe manao ahoana re no nataony ho an'ny olombelona eto an-tany! Fitiavana mahatalanjona manao ahoana izany! -Ms 75, 1886. ! 

"Fa fantatrareo ny fahasoavan Jesôsy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony." — 2 Kôr. 8:9. 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal