Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Harena tsy hay tombanana

Daty
Alakamisy 12 February 2026

"Ary koa, ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpandranto anankiray izay nikatsaka vato soa; ary rehefa nahita vota soa iray saro-bidy izy, dia lasa nivarotra ny fananany rehetra ka nividy azy." — Mat. 13:45,46.

Mofon’aina:
Raha nampitaha ny fanjakan' ny lanitra tamin'ny vatosoa sarobidy i Jesosy dia naniry hitaona ny fanahy tsirairay ho tia izany vatosoa izany mihoatra noho ny zavatra rehetra. Ny fananana izany vatosoa izany, izay midika ho fananana an'i Kristy ho Mpamonjy ny tena manokana, dia mariky ny fananana ny harena lehibe indrindra. (...)

Misy ireo mitady, ary mitady hatrany io vatosoa sarobidy io, kanefa tsy mahafoy ny fahazaran-dratsiny. Tsy maty ny "izaho"- ny mba hahafahan'i Kristy monina ao aminy. Noho izany, tsy mety hitany ilay vatosoa sarobidy. (...) Raha tsy misy fahafoizan-tena tanteraka mantsy dia tsy mety hisy fitsaharana, na fifaliana. Saika Kristianina izy ireo fa tsy tena Kristianina, ary toa akaikin'ny fanjakan'ny lanitra, nefa tsy afaka miditra ao. Ny hoe saika voavonjy dia tsy midika hoe voavonjy amin'ny ampahany, fa very tanteraka mihitsy. (...)

Aseho ao amin'ilay fanoharana fa nivarotra ny fananany rehetra ilay mpandranto mba hahazoany ilay vatosoa sarobidy. Mahafinaritra tokoa io fanoharana io ho an'ireo izay tena tia ny fahamarinana ka mahafoy ny fananany rehetra mba hahazoany azy. Raisiny amin'ny finoana ny famonjena izay natolotra ny olona tamin'ny alalan'ny sorona nataon'ny Zanaka lahitokan'Andriamanitra. Tsy misy kilema, tsy misy tsiny na pentina ny fahamarinan' i Kristy, izay toy ny vatosoa madio mangatsakatsaka. Tsy misy asan' olombelona afaka hanatsara kokoa ny fahamarinana lehibe sy sarobidy ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Tsy fifangaroan'ny fahamarinana sy fahadisoana izany. (...)

 Vonona i Kristy handray izay rehetra manatona Azy amin' ny fo madio. Tsy hekeny ny fireharehana na fihatsarambelatsihy, na kely aza. Izy no hany fanantenantsika. Izy no Alfa sy Omega, masoandro sy ampingantsika, fahendrentsika, fahamasinantsika ary fahamarinantsika. (...)

Ny famonjena, miaraka amin'ireo harena tsy hay tombanana novidina tamin'ny ra, no ilay vatosoa sarobidy. Azo tadiavina sy mety ho hita izany. Fa izay mahita azy marina dia hivarotra ny fananany rehetra mba hahazoany azy. -Ms, t. 154, 1898.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal