Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mitondra ny ziogan'i Kristy

Daty
Alatsinainy 16 February 2026

 "Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an 'ny fanahinareo hianareo." - Mat. 11:28,29.

Mofon’aina:
Tamin'ny alalan'ny fanalam-baraka ratsy indrindra no   ni vidianan' ny Mpamon-jintsika ny taranak'olombelona. (...) Atorony antsika ny lalan-tokana mankamin'ny vavahady ety (...) Ahi-maitso midadasika sy tsara tarehy no ao ambadik' izany. Efa nosoritany ny lalana rehetra tokony haleha mba tsy hisy hanao fahadisoana. Ambarany antsika izay tokony hatao: "Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an 'ny fanahinareo hianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako." - Mat. 11:29,30. Izany no hany fomba hahafahana mamonjy ny mpanota. Fantatr'i Kristy fa tsy misy mahay mankato izany baiko izany amin'ny herin'ny tenany, ka milaza amintsika Izy mba tsy hatahotra (...) Hoy [zy: "Raha mitondra ny ziogako ianao, (...), dia ho herinao sy tanjakao Aho."

lreo izay mitondra ny ziogan' i Kristy ihany no afaka hahatakatra sy hisitraka ny fitahiana mifandray amin' ny fanasany. Rehefa manaiky izany fanasana izany ianao, dia manaisotra ny fitokianao sy ny fitiavanao amin'izao tontolo izao ka mametraka izany eo amin'izay ahafahanao misitraka ny fitahiana amin'ny firaisana ety amin' Andriamanitra. (...)

 Efa notendren' Andriamanitra fa ny fanahy tsirairay izay mankato ny Teniny dia hanana ny fifaliany sy ny fiadanany ary ny hery izay manohana azy tsy tapaka. Ny lehilahy sy vehivavy tahaka izany dia ampanakaikezina Azy mandrakariva, tsy amin'ny fotoana andohalehany am im-pivavahana ihany, fa amin'ny fotoana anaovany ny asa aman-draharahany koa. Efa nanomanany toerana hiarahana mipetraka Aminy izy ireo, izay hanadiovana ny fiainana amin'ny faharatsiana sy ny zavatra rehetra tsy maha-te ho tia. (...)

 Manasa antsika Izy hoe: "Mankanesa aty Ain iko. Ento ny ziogako. Tsy mitaky aminao ny zavatra tsy mbola nataoko Aho. Ny hany angatahiko aminao dia ny hanaraka ny Ohatra nasehoko. Mandehana eo amin'ny lalana efa voasoritro. Apetraho eo amin'izay misy ny dian-tongotro ny tongotrao." - RH, 23 Oktobra 1900. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal