Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mendrika ny anarana entintsika

Daty
Zoma 20 February 2026

"Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa." - 1 Jao. 2:6.

Mofon’aina:
Mitondra ny anarana hoe Kristianina isika, koa aoka ho mendrika izany anarana izany. (...) Midika ho fanarahana an'i Kristy amin'ny fandavan-tena izany, fanandratana ny fanevan'ny fitiavany, fanomezam-boninahitra Azy amin'ny teny sy ny asa tsy misy fitiavan-tena. (...) Tsy nisy fitiavan-tena ny fiainana niainan'i Kristy teto an-tany. Nitafy ny toetsika lzy, niaina fiainana nahafoy tena manontolo ho an'ny tombontsoan'ny hafa. (...) Tokony hadio sy marina amin'ny teny sy ny asa ny mpanara-dia an'i Kristy. (...)

Hoy ilay apostoly lehibe tamin'ireo Jentilisa: "tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin 'ny nofo dia ivelomako amin'ny .finoana ny ZanakAndriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy." - Gal. 2:20. Tamin'ny finoana no nandraisan'i Paoly ny fahasoavan'i Kristy, ary izany fahasoavana izany no nanome izay nilain'ny fanahiny. Amin'ny finoana no andraisantsika ny fanomezana atolotry ny lanitra sy hizarantsika izany amin'ireo fanahy maniry fatratra ny fahazavana. Izany no fanandramana tena ilaintsika. (...) Angataho amim-bavaka izany finoana izany. Miasa mafy mba hahazo izany. Minoa fa homen'Andriamanitra anao izany. (...)

 Mianara amin'Ilay nilaza hoe: "fa malemyfanahy sady tsy miavona am-po Aho." - Mat. 11:29. Hahita fitsaharana ianao raha mianatra Aminy. Hahazo fanandramana m ikas i ka ny zava-panahy ianao isan'andro, ary isan'andro no hahatsapanao ny fahalehibeazan'ny famonjeny sy ny voninahitry ny firaisana Aminy. Hianaranao tsy tapaka amin'ny fomba mitombo hatrany ny hiaina araka ny fomban'i Kristy, ary hitombo hatrany amin'ny fanahafana ny Mpamonjy ianao.

(...) Raha mifandray amin'ny fatoran'ny firahalahiana kristianina isika, dia hiasa amin'ny alalantsika amin-kery lehibe Andriamanitra. Dia hohamasinina amin'ny alalan'ny fahamarinana isika. Hofidin' Andriamanitra tokoa isika ary hotapahin'ny Fanahiny. Ho sarobidy amintsika ny andro tsirairay (...) satria hahita tombontsoa fanararaotra hampiasana ireo fanomezana nankinina tamintsika ho fitahiana ho an'ny hafa isika. - RH, 30 Mey 1907.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal